airtel

Actualités

28-juin-2024

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Efa miloka hatramin'ny zaza tsy ampy taona

Sample post image

Antananarivo renivohitra, alakamisy 26 jona atoandro. Zazalahikely miisa 5 , 10 taona eo ny salan-taona.

28-juin-2024

Miloka sy milalao vola ankalamanjana. Mbola sahirana tany amin'ny matso, narahana fiaraha-mifaly angamba ny mpitandro filaminana fa dia tsy hita popoka hany ka miloka ankalamanjana tsy amin'ahiahy ny zaza tsy ampy taona. Mazava ho azy fa tsy mahafantatra akory ny tsy mety ataony ireto zaza ireto, ilay kilalao mampiloka rahateo moa , matoa sahy mitoetra dia efa nahazo alalana tamin'ny kaominina izany. Tena zava-doza ho an'ny ankizy anefa ny zavatra tahaka izao, zava-doza ho an'ny fiarahamonina, zava-doza ho an'ny ho avin'ny taranaka faramandimby sy ny firenena. Amin'ny fomba ahoana moa no inoana hoe hisy ho avy mamiratra raha zaza tsy ampy taona no efa zarina miloka ? Aiza ny fampuharana sy fampanajana ny lalàna ? Inona no tsy handraisana fepetra hentitra ny zavatra tahaka ireny. Tokony efa misy toerana voatondro mazava misy ny lalao kisendrasendra mampiloka toa ireny fa tsy hoe atao ankalamanjana ary tena tsy misy fanavahana fa eo daholo .Mifanindran-dalana amin'io dia tena maro be ireo zaza tsy ampy taona mividy toaka sy sigara, ahoana moa izany no hamantarana hoe nisy naniraka ve sa tena ry zareo mihitsy no efa mividy. Efa iara-mahalala tsara izao anefa fa manimba fiarahamonina ny zava-pisotro misy alikaola sy ny zava -mahadomelina, ka nahoana no tsy handraisana fepetra hentitra? Indrindra ny resaka famarotana azy.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

14-févr-2025

Avo lenta ny endrika isehoan’ny kolikoly eny anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana eto amintsika.

Card image cap
14-févr-2025

Ory hava-manana ny malagasy, hoy ny fomba fiteny heno matetika taty amin’ny taonjato faha 20.

Card image cap
14-févr-2025

Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny

Card image cap
14-févr-2025

Hotanterahana any Adis-Abeba ny 15-16 febroary izany hoe : ny sabotsy sy alahady izao ny

Card image cap
14-févr-2025

Tsy mitsahatra ny mitady izay fomba hanomezana fahafaham-po antsika mpihaino ny TOP RADIO FM 102.8.

Card image cap
14-févr-2025

Tena mampiady ny firehana politika tsy mitovy. Tsy ho an’ny olom-pirenena tsotra samy maneho hevitra dia

Card image cap