airtel

Actualités

10-juin-2021

Actualités

Antananarivo renivohitra Harahi-maso amin’ny « caméra de surveillance » ny fako

Sample post image

“Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny fanatsarana ny fifamoivoizana sy ny filaminam-bahoaka.

10-juin-2021

 

 


Dingana iray lehibe amin’izany no tanteraka androany, dia ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Orinasa VIGIE”, hoy ny ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina omaly 9 jona 2021. Afaka hisitraka ireo teknolojia avo lenta ny CUA amin’ny fisian’ny « caméra de surveillance », izay ahafahana manara-maso toerana maro toy ny lalan-dehibe sy ireo dabam-pako noho io fiaraha-miasa io, raha ny fanambarany. Mino isika fa hitondra vokatra ho an’ny mponina izao ezaka izao ary hanampy betsaka ireo tompon’andraikitra samihafa. Ny fiaraha-mientana no antoky ny fampandrosoana haingana sy maharitra ho an’ny Taànantsika, hoy ity ben’ny tanàna ity. Hafa indray ity tetikasa vaovao hoentin’ny CUA ity ka andrasana ny mety fahombiazana na koa ny lesoka. Efa maro mantsy izay zavatra nambara fa hatao sy hotanterahina eto amin’ny CUA izay.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap