airtel

Actualités

08-avril-2022

Actualités

Antananarivo Renivohitra Tafiakatra avo 4 heny fahalotoan’ny rivotra

Sample post image

Natokana hankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ny omaly 07 aprily 2022. Noho ny tontolo iainana izay mifamatotra mandrakariva amin’ny fahasalamana,

08-avril-2022

nosafidiana manokana ny lohahevitra hoe : «antoky ny fahasalamantsika ny Tontolo iainanantsika» satria ny fandotoana tontolo iainana dia isan'ny mitondra voka-dratsy hoan'ny fahasalamana. Ho an’ny eto an-dRenivohitr’i Madagasikara, efa tena zava-doza ny tahan’ny fahalotoan'ny rivotra, izay voalazan’ireo manam-pahaizana fa avo 4 heny mihoatra ny fenitra ara-pahasalamana. Raha ny mari-drefy navoakan'ny sampan-draharahan'ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) mantsy ,dia tsy tokony hihoatra ny 25ug/m3 ny tahan’ny fahalotoan'ny rivotra. Mihoatra avo efatra heny na avo dimy heny amin'izany anefa ny eto andrenivohitra indrindra ny volana septambra, oktobra ary novambra lasa teo, hoy ny manam-pahaizana eo anivon’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetry ny andro. Mandeha ny fikaroham-bahaolana sy fikotrehana tondrozotra hiatrehana sy hiadiana amin'ny fahalotoan’ny rivotra mba hahafahana mitantana sy mandrindra izany, ka miara-misalahy amin’io ireo sehatra sy sampan-draharaha voakasika. Resaka fahasalamana ny lohahevitra, saingy mivalampatra kokoa ny tontolo iainana noho ny anjara toerany. Na izany aza, hetsika maro no notanterahan'ny ministeran'ny Fahasamam-bahoaka nanerana an’i Madagasikara nanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana. Isan’izany ny Fizaham-pahasalamana maimaimpoana izay notanterahina tetsy Mahamasina, fanentanana ara-pahasalamana, fivoriana ara-siantifika izay niompana amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fahalotoan'ny rivotra. Tsy hijanona amin’ilay omaly fotsiny ny fankalazana fa hitohy mandavan-taona, hatomboka amin'ny fanentanana ara-pahasalamana isak'erinandro ao anatin’ny tambazotra serasera "Bemiray”, izay mifantoka betsaka amin’ny ara-pahasalamana, hoy ny fanazavana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap