airtel

Actualités

01-août-2022

Actualités

Antananarivo sy ny manodidina Maro ny faritra tsy nahitana solika omaly hariva

Sample post image

Nanahirana ny fitadiavana solika teto Antananarivo sy ny manodidina omaly hariva. Tamin’iny faritra avaratra kelin’ny renivohitra iny ohatra omaly takariva,

01-août-2022

 dia tena tsy nahitana ny ankamaroany . Toby mpaninjara solika miisa 3 samihafa samy tsy nahitana solika omaly takariva teny Sabotsy Namehana. Ny teo Ambohitrarahaba kosa nilaharana. Ampahany ihany ireo, fa maro no nisehoan’io, raha ny vaovao azo. Misy olana ve ny famatsiana solika sa antony hafa mihitsy ? Tsara ny mampahatsiahy fa talohan’ny fiakaran’ny vidin-tsolika ny 11 jolay lasa teo no nahitana filaharam-be teny amin’ny toby mpaninjara solika sasany na teto Antananarivo na tany amin’ny faritra. Nisy ny famerana ny solika azo novidiana tamin’izany. Toa misy toe-javatra hafahafa miseho indray ankehitriny mikasika ny solika ka andrasana ny fanazavana ofisialy hoe: inona marina ny zavatra tena miseho? Misy indray ve ny fifanenjanana eo amin’ny orinasan-tsolika sy ny Fanjakana na efa nisy aza ny fampiakarana vidin-tsolika nidangana? Nanao ahoana ny resaka trosa nifampiditra?
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap