airtel

Actualités

26-janv-2021

Actualités

Antanetibe Ambohimanambola Maty an-dàlana ilay mpitaingina bisikileta

Sample post image

Raim-pianankaviana iray nitondra bisikileta no tojo tsy fahasalamana tampoka,

26-janv-2021

 

 

 

hitan’ny olona teny Antanetibe Ambohimanambola omaly. Olona roa izy ireo no voalaza fa niaraka, saingy tsy nifankahalala fa noho ny maha samy nitondra bisikileta, dia niara-naka aina, raha ny fanazavana vonjimaika. Nisy nandalo, ary nilaza izy ireo fa reraka, ka maka aina, saingy tampoka teo dia niantso ilay iray hoe vonjeo fa hafahafa ity, ka niaraka namonjy azy tamin’ny alalan’ny “massage cardiaque” saingy indrisy fa tsy tana ny ainy na mbola niaina aza izy, hoy ny nanatri-maso. Voalaza fa nisy fiara nandalo ihany, saingy nitazam-potsiny. Tsy fantatra mazava izay tena aretina nahazo azy, fa mety ho isan’ny antony ny faharerarahana diso tafahoatra. Tsy hanohanana no nahafaty azy, fa mety resaka fo, hoy ny fanamarihana. Mbola afaka nilaza ny mombamomba azy rahateo ny tenany nialohan’izay, ka mpandrafitra izy, voalaza fa avy any Ambohitsoa izy sy Ambohitsoabe no niainga. Tsy aiza ireo tanàna ireo, fa fokontany samy ao anatin’ny Kaominina Miadanandriana any amin’ny distrikan’i Manjakandriana. Tena toerana lavitra satria mbola manodidina ny 65 km any ho any miala an’Antananarivo izany no mety nandehanany am-bisikileta, raha nanitsy avy any Ambatomanga.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap