airtel

Actualités

29-juil-2022

Actualités

Antanifotsy Sambava Nitrangana haintrano, lasa lavenona ny entana rehetra

Sample post image

Fianakaviana am-polony no traboina tsy manan-kialofana any amin’ny Fokontany Antanifotsy, kaominina sy distrikan’i Sambava.

29-juil-2022

Vokatr’ilay hain-trano nampalahelo nitranga tany an-toerana no nahatonga izany, tranga niseho ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Tapitra lasa lavenona nandritra ity haintrano ity avokoa ireo entana rehetra tao anatin’ireo trano may. Na izany aza tsy nisy kosa ireo naratra na ny aina nafoy hoy hatrany ny vaovao. Mbola tsy fantatra mazava moa hatramin’ny omaly hariva nanoratanay ny antony nahatonga ny firehetana. Na izany aza efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Mangataka fanampiana amin’ireo malala-tanana sy mpiray tanindrazana kosa ireo niharam-boina hahafahany mihoatra amin’ny fiainana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap