airtel

Actualités

11-nov-2021

Actualités

Antenimierandoholona Nandray anjara ihany koa tamin’ny COP 26

Sample post image

Isan’ireo nandray anjara tamin’ny andiany faha 26 amin’ny diniky ny firenena mikambana momba fiovaovan’ny toetr’andro ny 31 oktobra hatramin’ny rahampitso 12 novambra 2021 tany Glasgow- Ecosse,

11-nov-2021

 ireo delegasionina parlemantera eto Madagasikara. Ny avy eo anivon’ny antenimieran-doholona moa no nisolo tena antsika tao anatin’izany ary notarihin’ny filohan’izy ireo, Herimanana Razafimahefa sy ny loholona Jean André Ndremanjary, sojabe ao amin’ny lapa maitson’Anosikely ao. Miara-miasa akaiky ny antenimieran-doholona sy ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fandrosoana maharitra, raha ny nambaran’ny minisitry ny tontolo iainana, Baomiavotse Vahinala Raharinirina, hiadiana amin’izay fiovaovan’ny toetr’andro izay. Nisy ny fihaonan’ity minisitra ity tamin’ny filohan’ny Faritra ao Corse, Frantsa, Gilles Simeoni, izay filohan’ny kaomisionin’ny fampitana ekolojika ao amin’ny faritr’I Frantsa hatrany. Niompana tamin’ny fitsinjaram-paritra sy ny vahaolana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro ny resaky ny roa tonta, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap