airtel

Actualités

23-févr-2022

Actualités

Antokazo Ambato Natao sorona tany amin’ny kariera ilay zaza

Sample post image

Zazavay 10 taona no very tsy hita popoka ny takarivan'ny alahady 20 febroary 2020 lasa teo tany Antokazo Antsinanan’Ambatondrazaka.

23-févr-2022

 Nandeha ny fikarohana, ka omaly vao hita izy io, saingy efa vatana mangatsika sisa. Tany toerana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany na “carrière” tao Ambodipaiso (avaratr' Anosivola) no nahitana azy. Maty natao sorona ity zazavavy kely tsy manan-tsiny ity, raha ny filazan’ny mponina any an-toerana. Nisahotaka noho izany ny iray tanàna teo anatrehan’ity toe-javatra sady mampalahelo no mahatsiravina ity. Matetika no tsy milamina ny fandriampahalemana amin’ireo faritra ahitana toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany noho ny antony maro. Misy ny te hanan-karena tampoka ka mitady sorona, misy ny tsy mahazo kanefa lany vatsy, manita-kevitra hanao asan-jiolahy. Ankoatr’izay misy koa ireo olona milaza fa io resaka fanaovana sorona io no mahatonga ny faty hita efa tsy misy maso sy lela na taova hafa intsony…Tsy dia mbola nisy loatra ny fanadihadiana lalina ka hoe natao fanta-bahoaka tamin’ny fomba ofisiay fa dia ny resaka etsy sy eroa tany amin’ireo toerana nisehoana tranga hafahafa amina fahafatesan’olona no handrenesana ny vaovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap