airtel

Actualités

10-juin-2022

Actualités

Antsahamasina Ambohidrapeto Nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro

Sample post image

Ankoatra ny lalana sy ny rano dia anisan’ny mampijaly fatratra ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Antananarivo Atsimondrano ihany koa ny tsy fisian’ny jiro.

10-juin-2022

Raha araka ny fanadihadiana natao dia Fokontany 5 ao anatin’ny kaominina no mbola miaina anaty haizina tanteraka amin’izao ka anisan’ireny ny Fokontanin’Antsahamasina sy ny Fokontanin’Imerimandroso. Mba ho fanampiana ity kaominina ity ary dia fantatra fa hifanohana aminy ny kaominina Antananarivo renivohitra, tarihin’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Tontosa omaly folakandro ny resaka nifanaovan’ireo Ben’ny tanana roa tonta mikasika ny asa fampandrosoana hiarahany izay tsy hijerena loko politika no sady tsy hijerena zavatra hafa ihany koa fa tena hiompana amin’ny fampandrosoana tanteraka. Raha fehezina dia miditra amin’ny sehatry ny fampirahavaviana ny kaominina tantanany ny roa tonta ka ho an’ny kaominina Antananarivo renivohitra manokana dia hoentiny avokoa izay azony hoentina ho an’ity kaominina iray ity. Nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 10 ho an’ny Fokontany Antsahamasina izy ohatra omaly, fanampiana izay efa nosantariny tamin’ny fanomezana logiciel hahafahan’ny kaominina mandamina ny resaka hetra na ny IFPB. Mbola santatra am-bava rano ihany anefa io raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Naina Andriantsitohaina. Efa mandeha mantsy amin’izao ny fifampiraharahana hataony amin’ny fitondrana sy ny orinasa JIRAMA mba hahafahana mamatsy jiro ara-dalana ireo Fokontany 5 tena sahirana ao anatin’ity kaominina ity raha toraka izany ihany koa ny rano. Hanampy an’Ambohidrapeto amin’ny fanamboarana foto-drkoa afitrasa ihany ny kaominina Antananarivo renivohitra izay ho fantatra mian-dalana eo avokoa ny tohiny. Marihina moa fa efa mahatratra 40.000 isa ireo mponina ao anatin’ny kaominina Ambohidrapeto amin’izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana omaly
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap