airtel

Actualités

12-oct-2022

Actualités

Antsirabe Nahazo fampitandremana ireo mpanao Cash point

Sample post image

Nampitandrina ireo mpanao cash point ao Antsirabe ny sampan-draharahan’ny Ministeran’ny varotra any an-toerana tsy haka sarany ambony mihoatra noho izay tokony ho alainy.

12-oct-2022

Misy amin’izy ireny mantsy no maka sarany ambony mihoatra ny 100 Ar amin'ny fividianana fahana sy mampandoa vola amboniny amin’ny mpanjifa ka misy hatrany ny fitarainana voaray. Nisy mihitsy moa tany an-toerana ny fampifanatrehana ny DRICC Vakinankaratra ny tompon’andraikitra avy amin’ireo orinasam-pifandraisana (Telma, Orange, Airtel) sy ireo mpisehatra amin’ny cash point rehetra ny fiandohan’ny herinandro teo hisorohana ity fanararaorana mihoampampana ity. Nohazavaina tamin’ireo mpanao cash point ireo ny andraikitra nekeny ka tsy tokony hakany sarany ambony amin’ny mpanjifa. Efa nisy ny fanentanana natao tamin’ireo cash point sy fanantonana ireo orinasam-pifandraisana talohan’ny fampihaonana ny roa tonta koa andrasana izay mety ho tohiny. Tsy ho an’Antsirabe irery moa fa mpanao cash point amin’ny faritra maro ihany koa no fantatra fa manararaotra fatratra ireo mpanjifa amin’izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap