airtel

Actualités

02-mars-2022

Actualités

Antsiranana Mirongatra indray ny asa ratsin’ ny foroche

Sample post image

Andiana tanora 10 ka hatramin’ny 20 taona no fantatra fa mivondrona ao anatin’ny fikambanan-jiolahy antsoina hoe Foroche any Antsiranana.

02-mars-2022

 Mitety fokontany mihitsy izy ireo manakorontana tokantranon’ olona iray izay lazain’izy ireo misy olana amin’ireo namany foroche. Matetika dia zavatra tsy misy dikany akory no entin’ireo andiana tanora lahy tsy ampy taona no betsaka hanakorontanana ny fokontany ao Antsiranana raha ny tatitra azo avy any an-toerana. Mifoka rongony avokoa ny ankaramaroan’izy ireo raha nambaran’ny mpitandro ny filaminana ao Diego. Ny faran’ny herinandro teo dia nisy ny fahafihana nataon’ireo foroche iay nahitana andiana zazalahy tsy ampy taona mitondra antsy manaranitra sy vato manafika . raikitra ny fifampitorahana raha ny fanazavana azo. Niditra an-tsehatra ny zandary nandrava sy nisamboatra azy ireo saingy niparitaka eny amin’ny anelakelan-trano ireo andiana tanora foroche izay nanafika fokontany io. Raha ny fantatra mantsy dia ireo zaza izay tsy tazain’ny ray aman-dreniny fa ny renibe sy ny raibe no mitaiza azy ireo no tsy voafehy ary manitatra sy mamory namana manao ny asana foroche ireo. Efa misy ny paikady nataon’ny zandarimariam-pirenena ao Antsirananana manoloana ny firongatry ny asa ratsin’ireo andiana tanora tsy ampy taona mifanafika ireo.
Tolin
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap