airtel

Actualités

04-oct-2022

Actualités

Antsohihy Misy anti-dahy mampitsoaka ireo tovovavy mpianatra ?

Sample post image

Anti-dahy iray voalaza fa tompon’andraikitra amina sekoly tsy miankina iray ao Antsohihy no fantatra amin’izao fotoana izao fa mampitsoaka ireo tovovavy mpianatra any an-toerana.

04-oct-2022

Raha araka ny fantatra mantsy dia tsy manaiky mihitsy io anti-dahy io fa manadala hatrany ireo tovovavy kely mpianatra mba hiaraka aminy ka rehefa tsy azony moramora ireto farany dia rahonany mihitsy fa izy no manome naoty any amin’ny bakalorea ka mety tsy ho afaka izany miseho ho miavonavona. Tovovavy kely iray vao 17 taona monja indray no lasibatr’izany tamin’ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia maro tamin’ireo tovovavy kely mpianatra tao amin’ity sekoly ity no voatery nitsoaka an-daharana mihitsy vokatr’izay fikasan-dratsin’ity mpampianatra anti-dahy iray ity.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap