airtel

Actualités

02-juil-2021

Actualités

Arivonimamo Voasambotra ilay mpisoloky fa mahatafavoaka voafonja

Sample post image

Lehilahy iray 43 taona milaza ho mahavita mamoaka olona ao amin’ny fonjaben'Arivonimamo no tratra rehefa ela nisolokiana tamin’olona raha araka ny vaovao azo

02-juil-2021

. Manatona ireny fianakavian'ny voafonja ireny izy ary miresaka momba izany. Fianakaviana iray no tratran’ny vela-pandrika nataony ka nangalany vola 6 600 000 Ar. Nambarany fa entiny mandroso ny fotoam-pitsarana sy hahafahany manafaka ilay voafonja io lelavola io. Rehefa tena nandeha anefa ny fotoana dia nilaza izy fa nihemotra hatrany ny fotoam-pitsarana no sady tsy ampy ilay vola ka mila manampy kely ilay fianakaviana manana olana. Nomen’ny fianakaviana fotoana araka izany ity lehilahy ity mba haka ilay vola ka tra-tehaka soa aman-tsara, tranga niseho teo imason’ny polisy. Rehefa vita ny fanadihadiana mahakasika ity farany dia naiditra am-ponja vonjimaika izy.
Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap