airtel

Actualités

31-août-2022

Actualités

Asa fanaovan-gazety Mitaky fenitra sy kalitao

Sample post image

Miroborobo fatratra ny tontolon’ny haino aman-jery eto amintsika. Betsaka ireo tanora liana amin’izany saingy mitaky fenitra ara-kalitao sy ara-pitaovana izany indrindra manoloana ny fandrosoan’ny teknolojia any ivelany.

31-août-2022

Manampy trotraka izany fivoaran’ny tontolo haino aman-jery sy ny asa fanaovan-gazety ary ny tontolon’ny sary mihetsika eto Madagasikara. Ankavitsiana anefa ireo sekoly ambony manofana tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny matihanina ao anatin’ireo voatanisa etsy ambony ireo. Izany indrindra no antom-pisian’ny Scoop institute tarihin’ny filoha tale jeneraliny Razafimandimby Mamitiana. Mijoro eto amintsika amim-pomba ofisialy ny sekoly ary mampianatra manontolo ny fianarana ny asa fanaovan-gazety, ny fikirakirana ny latabatra ravahin’ny bokotra maro hafitsoka na ny teknisiana,….Tsy hanavahana na ho an’ireo teknisiana sy mpanao gazety am-perin’asa aza fa mandray hatrany ny sekoly. Toraka izany koa ireo maniry ho lasa mpaka sary matihanina….Fampiharana avy hatrany ny 80%-n’ny fampianarana omena ireo mpianatra raha araka ny fanazavana azo raha 20 % kosa ny teoria. Afaka miasa avy hatrany araka izany ireo mpianatra mahavita fianarana eo anivon’ny sekoly ambony Scoop institute, tanjona napetraky ny filoha tale jeneralin’ny sekoly . Amin’ny 12 Oktobra ho avy izao no handray mpianatra ny sekoly amin’ity taona 2022 ity.
Pati
Legende : Razafimandimby Mamitiana nampahafantatra ireo fitaovana hampiasan’ny sekoly tantanany hanofanana mpanao gazety matihanina 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap