airtel

Actualités

05-avril-2022

Actualités

Asam-panjakana Mpiasa matoatoa 330 indray no tratra

Sample post image

Raha ny tatitry ny gazety boky mivoaka isan-kerinandro eo anivon’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola dia nisy mpiasam-panjakana matoatoa 330 indray no tra-tehaka.

05-avril-2022

Tapaka avy hatrany karaman’izy ireo ary nahavitana tahiry mitentina 3,8 miliara ariary ho an’ny kitapom-bolam-panjakana izany. Voalaza fa miasa ary mahomby tsara ilay rindram-baiko AUGURE 2 izay ampiasaina amin’izao fotoana handaminana sy handrindrana ny tontolon’ny asam-panjakana; manamora ny fanomanana ny tahirim-bola fisotrooan-dronono izy io no sady ahafahana mamadika ireo ECD (mpiasa anaty fotoana voafetra) ho lasa ELD (mpiasa maharitra).Hatreto dia mpiasa ELD vaovao miisa 7198 no voarakitra ao anatin’ny AUGURE 2, ary efa voaloa ara-dalàna ny karaman’izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanadiovana ny asam-panjakana izany rehetra izany mba tsy haha very fahatany ny volam-panjakana noho ny fisiana mpiasam-panjakana matoatoa, tsy miasa akory kanefa mandray karama tsy tapaka isam-bolana.
RTT
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap