Samy niezaka namalifaly ny Reny sy ny vehivavy tao an-tokantrano araka izany ny fianakaviana isan-tsokajiny noho izy ireny kitapo nifonosana ary mpanampy sahaza ny lehilahy. Tsy manadino izany Rtoa Assanati Famo Gidraka amin’ny mahavehivavy sy amin’ny maha-Renin’ny Malagasy azy amin’ny alalan’ny fikambanana Assanati Famo Gidraka tarihiny sy ny Werawera tsy maintsy mandeha. Raha bangoina dia maniry ny soa ho an’ny vehivavy Malagasy tsy an-kanavaka ny tenany na inona na inona olana sy sedra mety lalovan’izy ireny. Ao ireo mananontena miady irery amin’ny fameloman-janaka, ao koa anefa ireo nahiliky ny zanany sy ny fianakaviany…Ataoko indray misintona toa bangon-dratakatra sy indray miodidina toa molo-bilany ny fiarahabana anareo Reny rehetra. "Arahabako toa volan-tsinana anie ianareo ka raha tonga mahamanina , raha lasa mampanembona. Toa kintana nohariana ho ravaky ny lanitra ka na bitika aza manan-kasina na maro aza mora avahana. Andriamanitra anie hampitombo hatrany ny andro iainanareo, ka hombam-pahasalamana sy hahatratra ny Fetin'ny Reny mitsingeringerina indray. Tsy adinony ihany koa nandritra izany ny nampahery ny vehivavy mba ho maodely eny anivon’ny fiaraha-monina hatrany izy ireny.
Pati
Legende : Rtoa Assanati Famo Gidraka hanampy tsy manadino ny vehivavy Malagasy !
Avo lenta ny endrika isehoan’ny kolikoly eny anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana eto amintsika.
Ory hava-manana ny malagasy, hoy ny fomba fiteny heno matetika taty amin’ny taonjato faha 20.
Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny
Hotanterahana any Adis-Abeba ny 15-16 febroary izany hoe : ny sabotsy sy alahady izao ny
Tsy mitsahatra ny mitady izay fomba hanomezana fahafaham-po antsika mpihaino ny TOP RADIO FM 102.8.
Tena mampiady ny firehana politika tsy mitovy. Tsy ho an’ny olom-pirenena tsotra samy maneho hevitra dia