airtel

Actualités

09-déc-2022

Actualités

Baba Rakotoarisoa Nanatitra fako tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely

Sample post image

Naka fako teo amin'ny daban-jaoridira teo Ambodifilao ny kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo Baba Rakotoarisoa omaly,

09-déc-2022

natao tao anaty garaba ary notarihiny nihazo ny Lapan'ny tanàna Analakely toeram-piasan'ny Ben'ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Nitaky ny Ben'ny tanàna, ary nampahatsiahy ny propagandin'Atoa Naina Andriantsitohaina 3 taona lasa hoe: "Raha tsy voaraoka ny fako, tongava aty amiko, ny ben'ny Tanàna no tompon'andraikitra", eo anatrehan’ny fako sy loto misavovona eto an-drenivohitra. Naneho fa tsy tonga hamendrofendro na hila vaniny fa hanontany ilay fampanantenana sy tamberin'andraikitra. Somary nisy ny fifandirana teo aminy sy lehiben'ny polisy niambina ny vavahady izay naneho fa tokony mangataka fihaonana na "audience" amin'ny ben'ny tanàna i Baba Rakotoarisoa ary tsy tokony hanao sinema. Nambarany kosa fa ny fako tsy tokony haka an'izany, androany mety iray sobika fa rahampitso mety ho iray borety ary rahafak’ampitso iray kamiao. Naneho fa tsy hila vaniny amin’ny polisy fa kosa tonga am-panetren-tena hoe: mendrika an’izao ve Antananarivo amin’ny fako sy loto misavovona kanefa dia mitovy loko politika ny ben’ny tanàna sy ny Filoham-pirenena samy volomboasary TGV-MAPAR-IRD? Nasaina najanona ny fako, nangatahana ny hivoahan’ny ben’ny tanàna, saingy namaly ny andaniny fa tsy mivoaka eo izy raha izao fihetsiky ny ankilany izao. Navoakan’i Baba Rakotoarisoa niaraha-nihaino moa ilay tenin’ny ben’ny tanàna momba ny fako. C Rehefa avy nifampiresaka tamin'ny mpitandro filaminana teo dia voaray ihany izy ka nambara taminy fa tsy ampy ny vola handraofana fako satria tsy tonga ny “Redevances pour les Ordures ménagères” na ny hetra ampidirin’ny fako avy any an-tokantrano. Hafa sy tsy dia fahita saingy misy lanjany lehibe iny fihetsika nataon’I Baba Rakotoarisoa iny ka asa izay ho fandraisan’andraikitry ny fiadidian’ny kaominina sy ny orinasa mpandraoka fako izay eo ambany fiahiany
? Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap