airtel

Actualités

14-févr-2022

Actualités

Beravina Itaosy Saika nidiran-doza ilay zazalahy namono tarondro

Sample post image

Zazalahy kely iray vao 3 taona monja no fantatra fa namono tarondro teny Beravina Itaosy teny, distrikan’Antananarivo Atsimondrano

14-févr-2022

 ka saika nidiran-doza. Ny faran’ny herinandro teo no nitrangan’izany. Nihazakazaka namonjy mpitaiza olona avy hatrany ny Ray aman-dRenin’ity zaza ity raha araka ny fantatra hahafantarana izay tokony hatao.Nisy ny fombafomba tsy maintsy notanterahina nandritra izany izay tamin’io faran’ny herinandro io ihany.Nofonosina lamba miloko mena ireo tarondro roa maty ary nalevina tao anaty lavaka.Mbola nisy ireo fombafomba hafa natao ankoatra izay. Marihina moa fa maromaro tamin’ireo ankizy namono tarondro tahaka ity zaza ity no efa namoy ny ainy tsy fidiny. Miara-maty amin’ilay biby novonoina ny sasany. Raha araka ny fantatra, sy ny resaka any anaty farahamonina mantsy dia bibin-javatra ny tarondro ka tsy azo vonovonoim-poana. Ny fihetsika tokony hatao raha vantany vao mahita azy ireny dia ny manala azy amin’ny hazo moramora handeha ho any amin’ny toeran-kafa.
Pati
Legende : Nofonosina lamba miloko mena tahaka izao dia nalevina ireo tarondro roa namoy ny ainy
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap