airtel

Actualités

18-oct-2021

Actualités

Biby Malagasy hitadiavam-bola any ivelany Hifandinihana amin’ireo firenena ahitana azy

Sample post image

« Zavatra mampalahelo sy mahamenatra ny fisian’ny zava-manan’aina tsy hita afa-tsy eto Madagasikara, harenantsika, kanefa any amin’ny firenen-kafatra indray no lasa ahitana azy betsaka »,

18-oct-2021

 hoy ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy Rtoa Raharinirina Baomihavotse Vahinala omaly, nandritra fampahafantarana ny tetikasa « Ady amin’ny kolikoly sy trafikana harena voajanahary » tohanan’ny Amerikanina. Ohatra iray amin’izany ny sokatra angonoka, izay zara raha 200 latsaka eo ho eo izany sisa eto Madagasikara, fa any amin’ny Nosy Maorisy, any amin’ny firenena Asiatika ka voalaza manokana ny any Japon no anisan’ny ahitana azy betsaka kokoa. Isan’izany ihany koa ny gidro na «Lémuriens », izay hita any amin’ny valanjavaboahary any ivelany. Misy ny nomentsika na nampindramintsika an’ireny, izy ireny no lasa manana bebe kokoa noho isika satria mitombo ny tsindry amin’ny fihinanana ireny karazam-biby ireny. Ny fosa, ohatra, dia ahitana azy io any Belzika izay misy reniny sy zanany vao teraka, kanefa ny ankamaroan’ny zaza Malagasy aza misy mbola tsy nahita fosa izany. Efa noresahina tamin’ny mpiara-miobon’antoka ny fahafaha-mamerina azy ireny, hoy io minisitra io. Tsy maintsy hisy ny fifandraisana mivantana amin’ireo firenena nomentsika an’izany. Nanomboka ny 2019, dia tsy nisy intsony ny fanomezana azy ireny. Misy no mety lasa tany tamina fifanarahana ara-tsiantifika, saingy lasa ampiasaina amin’ny ara-barotra. Ny “Yoga Lemurs” izao any Etazonia, ohatra, dia miaraka amin’ireo karana gidro no manao “yoga”, izay tsy ara-dalàna ireny, ka mbola hifandinihana, hoy io Minisitra io. Nisy ny nomentsika tamin’ny ara-dalàna, toy ny valan-kavavoahary any Zurich any Suisse izay hain-dry zareo ny nampotombo azy. Ny olona mety nahay nampitombo, fa ny antsika niha potika, isan’ny anton’izany ny fanimbana ny ala. Misy ihany koa moa ny trafika amin’ny endriny maro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap