airtel

Actualités

28-déc-2021

Actualités

Biraon’ny Kaominina Ivato « Havaozina manomboka amin’io taona ho avy io »

Sample post image

Tsy hiandry ela intsony fa hanomboka amin’io taona vaovao 2022 ho avy io ny asa fanavaozana ny biraon’ny kaominina Ivato,

28-déc-2021

fampanantenan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina raha araka ny fanazavan’ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanana Andrianjakarivony Manitra tamin’ny mpanao gazety omaly. Na ny teti-bola hampiasaina amin’izany na ny fanomanana amin’ny resaka tsenam-barotra mantsy raha araka ny fanazavany dia ilana fotoana avokoa fa tsy vita am-bava fotsiny ihany. Ankoatra io asa goavana hotanterahina ao Ivato ity dia efa niezaka ny nanao izay tratry ny heriny ihany koa ny kaominina hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Nataon’izy ireo ho lohalaharana tamin’izany ny asa fanadiovan-tanana ka nanoloran’ny filoham-pirenena kamiao iray niampy ilay kamiao efa antitra hananan’ny kaominina sy bakan-jaoridira miisa 5. Tsy latsa-danja amin’izany hoy izy ireo karazana foto-drafitrasa mamaly ny filan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro toy ny asa fanamboaran-dalana…. izay novitaina tamin’ny alalan’ny haba sy ny hetra nalohan’ny mponina. Marihina moa fa anisan’ny paikady hampiasain’ny kaominina Ivato amin’ny ady hatao amin’ny coronavirus ihany koa ity asa fanadiovan-tanana hiantsorohan’izy ireo ity, izay hiarahany amin’ny fikambanana maro samihafa sy ny fokonolona.
Pati
Legende : Andrianjakarivony Manitra, lefitra voalohan’ny Ben’ny tananan’Ivato !
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap