airtel

Actualités

07-sept-2021

Actualités

Boky sy CD hosoka An’aliny no nodorana teny Ambohitrimanjaka omaly

Sample post image

Notontosaina omaly maraina teny Ambohitrimanjaka ny fandorana ireo boky hosoka 105 ka ny 80 boky malagasy ary ny 25 boky vahiny. Niampy ireo CD hosoka miisa 54.650 izany.

07-sept-2021

 Nitarika sy nisolo tena ny mpandrindra ny borigady misahana ny ady amin’ny hosoka na ny BAP eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Chef des Opérations, Lieutenant Randrianandrasana Manitra, niaraka tamin’ireo solotenan’ny mpanakanto samihafa, ny solotenan’ny mpanonta boky, ny vadintany ary ireo mpamokatra. Manohy hatrany ny ezaka hatao, entina hamongorana ny fanaovana hosoka ny asan’ny mpanokatra malagasy ny eo anivon’ny BAP. Nanomboka tamin’ny volana aprily hatramin’ny aogositra lasa teo, manodidina ny 47 no efa nosamborina, niaraka tamin’ny CD hosoka nataony sy ireo fitaovana entina mamokatra izany. Tsy hianona fotsiny ihany amin’ny fanenjehana ny CD hosoka ny BAP manomboka izao, fa hijery manokana ihany koa ireo mpanonta boky hosoka, izay misy fiantraikany lehibe any amin’ireo matihanina misehatra amin’izany.Nampatsiahy ny Chef des Opérations ao amin’ny BAP fa henjehin’ny lalàna ny fanaovana piraty ny asan’ireo mpisehatra tsy ankanavaka rehetra. Hanohy hatrany kosa ny hetsika fidinana ifotony tampoka izy ireo hamongorana izany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap