airtel

Actualités

21-avril-2021

Actualités

Botry rendrika tao Tambohorano 07 namoy ny ainy, 02 mbola karohina

Sample post image

Nitrangana loza an-dranomasina namoizana aina tany amin’ny vinanin’i Tambohorano ny tolakandron’ny alatsinainy 19 aprily 2021.

21-avril-2021

 

 

Botry na tefitefy iray atao hoe “NANY” niainga vao maraina tao Maintirano nitondra mpandeha 30 no rendrika teo ampidirana ny vinanin’i Tambohorano. Vaky roa ilay tefitefy noho ny hamafin'ny onja nentin'ny rivotra. Mpandeha iray avotra no nilaza tamin'ny zandary ny fisian’ny loza. Vao nandre izany dia nitady sambokely haingampandeha roa avy hatrany ireto farany hanavotana ny niharamboina sy nanao ny fikarohana. Voatery natsahatra ny fikarohana rehefa tena tsy ampy ny fahitana tamin'ny alina. Nitohy omaly talata 20 aprily 2021n vao maraina ny fikarohana ka 19 no isan'ny olona hita fa velona omaly hatramin'ny 07 sy sasany maraina ka anisan'izany ny mpanamory an'ilay Tefitefy sy ny mpanampy azy roalahy ary zandary iray miasa ao Besalampy, samy avotra. Fito kosa ireo hita maty ka zandary ny iray, namela kamboty telo. Mpampivelona handeha hiasa ao Bebaboky. Isan’ireo namoy ny ainy tao anatin’ity loza ity ny Delegem-panjakana ao Besalampy sy ny zanany roa ary vehivavy iray zana-drahavaviny. Nisy vehivavy iray hafa koa hita faty. Mpandeha roa no mbola karohina io omaly io, ka zandary manambady ary manan-janaka iray ny iray ary tovovavy mpianatra ny faharoa.

Nangonin’i Jean D.

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap