building manara-penitra » ao amin’ny Lake Village Ivato no nilaza fa tsy voaloa vola hatramin’izao, ka nitory. Efa ny septambra 9 septambra 2023 anefa no notokanan’ny Filoham-pirenena ireo ampahany vita izay misy « Appartements » 135 amin’ny 570 nofaritana hatrany am-boalohany. Orinasa iray tantanin’olom-boatendry no voalaza fa nahazo ny tsenam-baro-panjakana tamin’izany ka nampiasa ity orinasa ity. Vola 780 tapitrisa Ariary no takian’izy ireo nanomboka ny oktobra 2023, ary voalaza fa efa naloan’ny fanjakana tany amin’ity orinasa ity ny vola. Ity farany kosa no tsy nanefa izany tany amin’ilay « sous-traitant », raha ny voalaza. Nametraka fitoriana teny anivon’ny PAC (Pole Anti-Corrumption) noho izany ireo nanao ny asa tsy nahazo ny volany. « Mahatsapa izahay fa misy ao fanaparam-pahefana ! Efa nisy vola efa nivoaka, nahavitana izay zavatra mety hitanareo eny ! Ny « Attachement » voalohany tsy nisy olana, nivoaka ny « attachement » faharoa izay tokony handoavanay ny « fournisseurs » lehibe izay tsy vola kely fa any amin’ny 700 tapitrisa Ar mahery, saingy io no tratry ny fanagiazana. Ny tena zava-doza dia rahonanan’ireo « fournisseurs » hoendahana ao amin’ny trano ny zavatra efa voapetraka ao, ka lasa fanalam-baraka ny fitondrana», hoy ny mpisolovava ny orinasa milaza fa tsy nahazo ny vola tokony handoavany an’ireo namatsy ara-pitaovana. Ny ampahana asa notokanana sy nireharehana hay ny volan’olona tena nanao ny asa misy manankenda. Raha tsiahivina, dia 767 219Ar isam-bolana ao anatin’ny 15 taona ny hofan’ny « appartement » izay manana endrika fividianana azy tsikelikely.
Toky R
Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?
Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola
Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga
Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena
Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa
Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,