airtel

Actualités

09-déc-2022

Actualités

CEG Radama I – Toamasina Mpianatra am-polony tratran’ny ambalavelona

Sample post image

Nitrangana toe-javatra hafahafa tao amin’ny CEG Radama Voalohany ao Toamasina omaly.

09-déc-2022

Vehivavy iray lavabe, lava volo no sady ratsy tarehy be manao fihetsika mampitandrina no no voalaza fa hitan'ireo mpianatra miisa 40 mahery izay nitsipatsipaka, nikiakiaka sy nitomany teo an-tokontanin-tsekoly. Nisy mihitsy no torana sy tsy nahatsiaro nandritra izany. Raha araka ny nambaran’ireo mpianatra dia nisy nanota fady ny sasany tamin'izy ireo mpianatra nandritra ny fitsangatsanganana nataony tany amin’ny Cascade Park Ivoloina ny sabotsy lasa teo. Nisy naka vola tao amin'ny fanaovana joro ny sasany tamin’izy ireo raha nisy koa ireo nandro ka nivalan-drano tao anaty ranon'ny cascade raha ny nambaran'izy ireo hatrany. Vehivavy avokoa moa ny ankamaroan’ireo mpianatra nihitsinjitra sy nitomany toy ny nihetsika ambalavelona ireo hoy hatrany ny vaovao. Voatery nakana mpiandry izy ireo noho izany nametrahan-tanana sy noroahina devoly .
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy nety raha tsy nametrahan-tanana tahaka izao izy ireo
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap