airtel

Actualités

25-avril-2022

Actualités

CFS Ivato Zandary roa nifamaly sy nifandrahona

Sample post image

Ahoana moa no hisian’ny fandriampahalemana eto amin ny firenena raha ny mpitandro ny filaminana indray no hifandrafy ?

25-avril-2022

hoy ny fanamarihan’ny olom-pirenena. Ny zoma 22 aprily 2022 tokony ho tamin’ny 12 alina , tokony ho 50 metatra miala ny vavahadin’ny CFS (Centre de Formation Spécialisés) Ivato manoloana ny Restaurant After work, dia nisy trangana fifamaliana teo amin’ny mpitandro ny filaminana roa lahy izay hitan’ny sivily maro, raha ny fanamarihana. Zandary 2 nanao fanamiana izay an-kevitry manao fisafoana. Mahamenatra ihany ny zavatra tahak’ireny satria mampihena tanteraka ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana ny filaminana, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. Rehefa nilamindamina dia nandrenesana feo teo hoe: “any amin’ny “camp” mifampitady rahampitso", araka ny fitantarana. Fa anga tsy misy lehibe? Misy ny nanao antso avo Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra ihany amin’ny zavatra tokony apetraka fa misy tsy mety. Vao tsy ela izay no nisy miaramila maty voatsindrona antsy tany anaty fitateram-bahoaka noho ny fifamaliana nisy, raha ny fampahatsiavina, ary misy tranga hafa mivoaka indray itony. Tokony ho fitaratra ary tsy hanome ohatra ratsy eny imasom-bahoaka ny mpitandro ny filaminana. Sanatria finiavana hanakiana sy hitsikera, fa misy ireo tsy mahay mitondra tena, tsy mifanaja, tsy manaja ny hafa,… ary manapatra fahefana. Ny sasany tsy tahotra tsy henatra manao fanamiana miaramila kanefa dia hita misotro alikaola any anaty bara. Misy mitondra fitaovam-piadiana mihitsy, ary tsy vao indray mandeha no nahenoana ny fisiana mpitandro filaminana nitifitra olona noho ny hamamoana. Lasa loza mitatao ho an’ny vahoaka raha izay no fisehoany. Izay no mila hanamafisana ny fepetra sy fanadihadiana lalina indrindra fa ny lafiny ara-pitondran-tena na “enquête de moralité” amin’ny fifaninanana mba tsy sanatria noho ny kolikoly no nahafatafidirana tao, izay lasa poizina ho an’ny firenena sy ny fiarahamonina raha vao izay.
Toky R
 

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap