airtel

Actualités

28-juin-2021

Actualités

Claire A. Pierangelo Ambasadaoro vaovaon’i Etazonia eto Madagasikara

Sample post image

Ramatoa Claire A. Pierangelo no noteren’ny Filoha Amerikanina Joe Biden ho Ambasadaoron’i Etazonia eto Madagasikara sy ny Vondron’ny Nosy Kaomoro.

28-juin-2021

 Izy no Ambasadaoro vehivavy manaraka hisolo tena ny Bekintana eto Madagasikara taorian’i Shirley Elizabeth Barnes, izay voatendrin’i Washington hiasa teto amintsika ny 29 jona 1998 hatramin’ny 28 jolay 2001, sy i Wanda Nesbit. Handimby an’i Michael P. Pelletier izay handeha hisotro ronono amin’ity volana jona ity i Pierangelo. I Pelletier, izay efa nanao veloma an’ireo tompon’andraikitra ambony, toy ny Filoha sy ny Praiminisitra. Efa niasa teo anivon’ny Kaonsily jeneralin’I Etazonia tany Lagos Nigeria moa Rtoa Pierangelo, efa nitana andraikitra lehibe tamina departemanta maro sy sampan-draharaha toy ny oniversiten’ny fiarovam-pirenena, niasa tany amin’ny Masoivoho Amerikanina tany Honoi Vietnam sy ny kaonsily jeneraly tany Surabaya any Indonénie. Miteny misosa tsara ny teny Indonezianina, Vietnamianina, ary Frantsay Rtoa Claire A. Pierangelo, raha ny mombamomba azy tsotsotra.

Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap