airtel

Actualités

20-juil-2022

Actualités

Clémence sy Lily Nohelohina handoa 6 tapitrisa Ar

Sample post image

Nivoaka omaly 19 jolay ny didy momba ny raharaha nanenjehan'i Lalatiana Ravololomanana sy i Balita anay mpanolotsaina 07 mianadahy, ahitana an-dry Clémence Raharinirina sy Lily Rafaralahy.

20-juil-2022

Izy ireo izay notoriana ho namoaka vaovao tsy marina sy nanala-baraka ary nanompa variraraka, saingy nandà hatramin'ny farany izany fiampangana izany. “Na dia 7 aza izahay no indray notoriana dia efa fantatro hatrany am-boalohany fa izaho sy Lily no tena tiana kendrena sy tiana hopotehina”, hoy Clémence Raharinirina. Voasazy handoa lamandy 6.000.000 Ar izy roa vavy rehefa nilatsaka ny didy. “Fanintelony izany izao tao anatin'ny fitoriana in-9 no voasazy handoa lamandy ny tenako, kanefa anie ny solika izay zonay fikirin'ilay mamimbahoaka ao amin'ny kaominina (Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina), ary efa maherin’ny 7 tapitrisa ariary ihany koa”, hoy izy. Nametra-panontaniana i Clémence Raharinirina hoe: Ary mba rahoviana ihany koa re io mamim-bahoaka ao amin'ny CUA io no ho voaantso any amin'ny fitsarana amin'ireo raharaha SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) sy CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) izay itoriako azy sy ireo mpanolotsaina sy mpanatanteraka miray tsikombakomba aminy? Tsara ny mampahatsiahy fa efa nisy ireo fitoriana nataon’i Clémence Raharinirina ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina ka isan’izany ny eny amin’ny Fitsarana momba ny kolikoly na ny PAC (Pôle Anti-Corruption) izay misy dosie hatrany amin’ny 13 pejy misy ny raharaha SMGD, CNaPS, fanaparam-pahefana,… raha ny fampahafantarana nataony. Manoloana ny fanamelohana azy ireo dia nilaza i Clémence Raharinirina fa mazava ho azy ny tsy maintsy hampiakaran’izy ireo ny raharaha. Nanitrikitritra izy ireo fa tsy hihemotra, ary nampahatsiahy fa ny marina tsy mba maty. Nisotra ihany koa ireo mpanohana izay tsy manary azy ireo amin’ny fotoan-tsarotra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap
26-mars-2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

Card image cap
26-mars-2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Card image cap