ny fametraham-pialan’ny Tale Jeneraly, Atoa Vimbina RAHAINGONJATOVO ny teo anivon’ny Tahirim-pirenena ho an’ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS. Notontosaina avy hatrany omaly 7 Janoary 2026 tetsy amin’ny Foiben’ny CNaPS Ampefiloha ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Tale Jeneraly teo aloha sy ny solontenan’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’Asa ary ny Asam-panjakana, minisitera mpiahy. Io Minisitera io no handray an-tanana ny fikarakarana ny dingana rehetra mifandraika amin’ny fanendrena izay ho Tale Jeneraly vaovao handimby azy, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Naneho ny faniriany sy ny fanantenany lehibe mba hitohizan’ny asa sy ny ezaka rehetra ho fanavaozana sy fanatsarana ny CNaPS indrindra miampaka any amin’ireo zokiolona sy ny mpikambana, ka ny marina sy ny mangarahara no ho fototra iorenan’izany hatrany ny Tale Jeneraly nametra-pialana, raha ny fampahafantarana ofisialy hatrany avy amin’ny CNaPS. Naneho fankasitrahana manokana ireo zokiolona sy ireo mpikambana rehetra mpisitraka eo anivon’ny CNaPS ary naneho koa ny fisaorana ho an’ny Fitondram-panjakana. Niantefa ihany koa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, noho ny fiaraha-miasa sy ny fandraisana andraikitra niarahana, izay porofo mivaingana amin’ny finiavana iombonana hanamafy ny fitokisan’ny vahoaka sy ny mpikambana amin’ny CNaPS. Tao anatin’ny fitantanan’i Vimbina Rahaingonjatovo no nampiakarana ho nampiakarina 42% ny volan-jaza izay ilay lasa 10 000Ar raha 7000Ar teo aloha ; ny volan’ny bevohoka izay lasa 90 000Ar amin’izao fotoana izao, raha toa ka 63 000 Ar ; ny volan’ny mpitaiza kely lasa 120 000A raha 84 000Ar teo aloha. Somary nanaitra ihany ny filatsahan’ity fametraham-pialana ity izay toa tampoka ihany raha ny fijery avy aty ivelany hoe : misy raharaha mahasaringotra ny Tale Jeneraly ve ? Izy izay voatendry tao anatin’ny Fitondrana teo aloha rehefa nirefotra ireo dosie sy olana nahasakasika ny Tale Jeneraly roa samihafa dia Atoa Mamy Rakotondraibe izay niverina nidoboka am-ponja noho ny raharaha fampindramam-bola 11 miliara Ar tamin’ny CNaPS sy ny Tale Jeneraly mpisolo toerana Rtoa Joslina Tsaboto izay nisy olana ihany koa. Asa na mahavaly ny fanontaniana manitikitika mikasika ny fialan’Atoa Vimbina Rahaingonjatovo ny serasera nataon’ny CNaPS manao hoe : « Ny atao hoe fanavaozana dia mila fanovana hatrany amin’ny fototra, mila manaiky koa ny mpitantana mamindra fahefana…». Raha raisina amin’ny serasera ofisialy dia tsy misy olana, fa fialana noho ny tsio-drivotra eto amin’ny Firenena ! Miova andriana miova sata ?
Toky R
Misy ny fiomanan’ny kolonely Michaël Randrianirina