airtel

Actualités

14-juin-2022

Actualités

Cocaïne, kidnapping Efa tena mandeha ny fanadihadiana, hoy ny SEG

Sample post image

Nisy omaly ny valan-dresaka nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Serge Gellé nanao tatitra fa olona 10 izay nahitana teratany vahiny dia sinoa roa, Afrikanina miisa 2,

14-juin-2022

 ary 6 Malagasy no voasambotra tamin’ny raharaha zava-mahadomelina manodidina ny 600 kg izay “Cocaïne de base”, ahiana ho misy ifandraisany amin’ny trangana fakana an-keriny nisesy tato ho ato, indrindra fa teto an-dRenivohitra. Teto Antananarivo no tratra, ary avy amin’ireo no nanondro olona tany Toamasina taorian’ny fanadihadiana. Lehilahy iray izay mpiasan’ny ladoany no notondroin’iro voasambotra ho nahazoany ny zava-mahadomelina. Ny volana oktobra 2021 mantsy no tratra tany Toamasina ireo zava-mahadomelona 600kg mahery. Niainga avy tany Brésil ireo, natao tao anaty gonin-tsiramamy, ka mandalo any Le Havre any Frantsa avy eo mankany Italie no tokony ho lalany. Nanaovana fanadihadiana, ka nantsoina ireo sampam-pikarohana vahiny toy ny Frantsay sy ny Amerikanina hijery azy satria matanjaka amin’izany sy manana fitaovana ireo, teo no nahitana fa vovoka zava-mahadomelina “Cocaïne de base” tena mbola hiringirina, ka ampitomboina 10 izy izay vao azo jifaina. Raha 600 kg izy izany, dia mahatratra hatrany amin’ny 6 taonina rehefa vita. Tamin’ny nahitana azy no naka 2 gony izany hoe: 100 kg ilay mpiasan’ny ladoany, nialohan’ny fampandrenesana nataony ka 18 gony no tavela raha tokony ho 20. Namidiny ny roa ka 800g sisa tavela. Fanontaniana napetraky ny SEG ny hoe: ireo ve no miparitaka aty Antananarivo? Ireo ve no natsindrona tamin’ireo olona nalaina an-keriny? Izy ihany no namaly, fa ny fanadihadiana no mamaritra na manamarina izany.
“AZA AVOAKA IREO MPIVAROTRA “DROUE”!”
Nomarihin’ny SEG fa ny iray tamin’ireo voasambotra dia olona tokony higadra any am-ponja, kanefa manao asa i ivelany Fonja. Ny angatahanay amin’ny fitsarana, ny olona mpivarotra zava-mahadomelina tsy tokony havoaboaka hanao MOP (Main d’Oeuvre Pénale). Izay no mba fangatahanay raha mety, ary izahay tsy mpitsara fa mpisambotra sy mpanao fanadihadiana, hoy izy. Tsiahivina fa nodorana tao Toamasina ny sabotsy teo moa ireo zava-mahadomelina, 8 volana taorian’ny nahatrarana azy.

Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap