airtel

Actualités

25-juin-2024

« COURSE KALESY » ENY ALAKAMISY FENOARIVO

Miala tsiny amin’ny mpampiasa lalana ny Ben’ny tanana

Sample post image

Miala tsiny sahady amin’ireo mpampiasa ny lalam-pirenena voalohany izay fananana iombonana

25-juin-2024

ny Ben’ny tananan’ny kaominina Alakamisy Atsimondrano Andrianaivo Rakotobe Christian fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Boni omaly. Toy ny fanaony isan-taona mantsy dia hanatanteraka ilay fifaninana course kalesy indray ity kaominina ity manomboka anio Talata 25 Jona ka hatramin’ny rahampitso Alarobia 26 Jona. Isan-kariva eo anelanelan’ny amin’ny 05 ora ka hatramin’ny 06 ora no hanatontosana izany, hetsika izay hiarahan’ny kaominina miasa amin’ny mpitandro ny filaminana. Hisy mandritra izany ny fifaninana kalesy tsara indrindra raha tsy hanavahana taona kosa ny fifaninana. Tamin’ny taon-dasa raha tsiahivina dia nisy olon-dehibe 42 taona tonga nandray anjara tamin’izany raha ankizy sy tanora vao herotrerony kosa ny ankamaroany. Hisy ihany koa moa ny fifaninanana tsipy kanetibe sy basket baolina mandritra ireo roa andro ireo saingy amin’ny toerana efa voatokana kosa. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena 26 Jona avokoa izany rehetra izany.
Pati

Legende : Hafana tahaka izao ny course Kalesy eny Alakamisy Fenoarivo eny manomboka anio Talata 25 Jona !
 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka

Card image cap
16-juin-2025

Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry

Card image cap
16-juin-2025

Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,

Card image cap
16-juin-2025

Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.

Card image cap
16-juin-2025

Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)

Card image cap
16-juin-2025

Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.

Card image cap