airtel

Actualités

29-nov-2022

Actualités

Delestazy efa ho 13 andro Nihetsika ihany koa ny vahoakan’i Moratsiazo Ampefy

Sample post image

Mitohy ny hetsika fanehoam-pahatezeran’ny mponina manakaiky ny làlam-pirenena voalohany sy ny mifandray amin’izany noho ny delestazy lava.

29-nov-2022

Vao herinandro latsaka izany teny Fenoarivo Alakamisy, nitohy tany Antanetimboahangy Analavory Itasy sy Mandrevo ny sabotsy lasa teo izay nisiana fandorana kodiarana, ary tsy rava ireo vahoaka raha tsy nanetsehana emmo-reg, izay nampiasa bala fingotra, raha tarafina amin’ny ratra nahazo ny olona. Herinandro no tapaka ny jiro tany raha ny tarainan’ny mponina. Omaly alatsinainy 28 novambra izay fiandohan’ny herinandro, nihetsika ihany koa ny vahoaka tany Moratsiazo Ampefy, any Soavinandriana Itasy, nanao fihetsiketsehana nahery vaika. Raikitra ny fandorana kodiarana sy ny filanjana sora-baventy, hany ka nikatso tanteraka ny fifamoivoizana. Naneho ny hatezerany ireo vahoaka izay nilaza fa leo delestazy, 13 andro, efa ho tapa-bolana, hoy izy ireo. Herinandro eo izay no nilazan’ny fa noho ny fahamaizan’ny “transformateur” eny amin’ny “sous-station” eny Anosizato izay nilatsaham-baratra no anton’ny fahatapahana miazo ny tapany Atsimo hatrany Itasy iny. Ity anefa efa tapa-bolana no lazain’ny mponina fa delestazy tsy nisy jiro. Nilaza ny Jirama afak’omaly, fa efa mamerina miandalana ny famatsiana herinaratra izay mizara roa ka ny iray 35.000V “triphasée” izany hoe: “fil” telo no mitondra azy sy ny tambazotra (réseau SWER) 35.000V izay monophasée, “fil” tokana no mitatitra azy, izay mamatsy ireo Fokontany ambanivohitra rehetra fa misy ihany manamorona ny RN1. Kasaina hafindra eo Alakamisy Fenoarivo ny transformateur iray izay tsy may, mitondra an’io fil tokana io mba hahazoan'ny rehetra herinaratra, ka tombanana ho tafaverina ao anatin’ny herinandro izany, hoy ny fanomezan-toky. Manomboka sesilany ny hetsi-bahoaka izay maneho fa tsy fanazavana sy fitanisana olana lava no tokony hisy, fa fivahan’ny olana. Mila vahaolana maharitra, fa tsy fampanantenana lava, ary tsy afaka hiandry 2027-2028 araka ilay nambara vao tsy ela taorian’ny hoe: afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana. Marina fa tsy mora ny manao zavatra saingy mba leo ihany koa ny olona satria efa ho lava. Ny faktiora anefa mitomboka hatrany!
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap