airtel

Actualités

02-août-2022

Actualités

Delestazy manara-penitra Ala-bala no betsaka, potika ny fihariana

Sample post image

Rakotra fahatapahan-jiro Antananarivo sy ny manodidina, izay nambara fa vokatry ny vesatra amin’ny filàna herinaratra, toy ny mamatsy ny tapany Tana-Sud.

02-août-2022

Misy fiantraikany ihany koa amin'ny famatsian-drano noho ireo toby famokaran-drano sy foibe mpampiaka-tosika miankina amin'ny herinaratra, hoy ny Jirama. Rakotra delestazy tanteraka Antananarivo sy ny manodidina, ary ho an’ny omaly maraina aza dia tsy nasiana ora mazava intsony, fa tonga dia nentina tamin’ny hoe: 01 aogositra 2022. Mbola nitohy ny serasera, ka tanàna an-jatony no tratran'izany ny takariva ka ny ankamaroany teo anelanelan’ny tamin’ny 7ora hariva hatramin’ny 09 ora alina. Mizaka ny maizina ny daholobe, ny orinasa mikatso, ny vidim-piainana anefa miakatra, ny famokarana mihena,… Lasibatra ny sehatra rehetra, fa ho an’ny orinasa manokana, ny vidin’ny herinaratra midangana, kanefa ny herinaratra tsizarizary. 8 volana latsaka kely aty aorian’ny fahasimbana tany Andekaleka izay nambara fa anton’ny delestazy amin’izao, ary nampanantenana fa afaka 6 hatramin’ny 8 volana eo dia ho foana izany, dia io vao mainka mahery vaika io. Asa na misy ifandraisany amin’ny tranga hafahafa momba ny solika nifampitadiavana afak’omaly ihany koa? Mandavan-taona olana foana: ririnina lazaina fa noho ny rivotra, fahavaratra lazaina fa noho ny fahabetsahan’ny rano loatra, lohataona tsy ampy indray ny tosiky ny rano,… Ny fitantanana tsy manary mbola hafa, toy ny raharaha solika 64000 litatra nanjavona saingy nanjavona ihany koa ny raharaha fanenjehana ireo heverina fa tompon’antoka, ny fitantanana ara-bola hafahafa toy ny 1 miliara nanaovana zaridaina, 1 miliara “prime de performance”. Manampy trotraka ny tsy fananan’ny Fanjakana politikan’ny angovo mazava ny Fanjakana, ny tetikasan’ny tsy miankina hatreto no japiana. Tsy arakaraka ilay vavaben’ny Filoha Rajoelina tamin’ny propagandy fa 400MW no vitan’ireo Filoha tao anatin’ny 60 taona, fa hataony avo roa heny, hanao 400MW amin’ny anarany irery izy, ary tamin’izany no nanaovany vava be fa mpampiesona ny mpitondra teo alohany. Ankehitriny, io no nafitsony, “mpampiesona pro max” raha marina finday. Aiza ilay kisehoseho ivelany tamin’ny adihevitra nandritra ny fihodinana faharoa fa efa hain’Atoa Andry Rajoelina hatramin’ny fatran’ny herinaratra ilain’i Madagasikara ka ny hahatongavany eo no ela ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap