airtel

Actualités

06-juil-2022

Actualités

Delestazy manarapenitra Amin’ny faran’ny taona vao mety hivaha ny olana

Sample post image

Nampiteny ny moana ny delestazy ny faran’ny herinandro teo teto Antananarivo sy ny manodidina. Misy naharitra adin’ny 9 tsy an-kiato ny sasany, tao aza ny nahatratra 12 ora,…

06-juil-2022

ka isan’ny tena nahery vaika ny sabotsy teo. Telo andro taorian’izay, nilaza Ny Tale Kabinetran’ny Minisiteran’ny angovo sy akoran’afo Atoa Odon Marius Randrianiaina omaly tamin’ny fahitalavitra fa, tsy hoe miala bala ny minisitera sy ny jirama, fa vokatry ny tsy fifampiresahana teo amin’ny "petrôliers" sy ny ladoany no nahatonga ny delestazy ny sabotsy teo, izany hoe: tsy misy hidiran’ny minisitera sy ny jirama akory, hoy izy. Nisy fifanarahana tsy nirindra teo amin’ny roa tonta no nambara fa niteraka delestazy. Nambarany fa nihamaivana ny delestazy taorian’izay satria efa tonga ny solika izay voatazona tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina. Ireo menaka mavesatra na “fuel lourd” izay mamatsy ny milin’ny jirama moa no nambara fa nihitsoka. Raha ny vaovao hafa, nosakanan'ny ladoany ny tanker satria mila mandoa vola. Ny orinasan-tsolika ihany koa etsy andaniny manana trosa amin'ny Fanjakana, ka dia nitohy ny fifampiziriziriana, izay ny vahoaka no lasibatra. Nandeha ny fampanantenana fa hihena, raha nisy ny fahatapahana tety Ivato ny maraina teo, dia tsy delestazy iny fa “coupure” izay fahatapahana tsy nahy sy tsy ampoizina raha toa ka fahatapahana voaomana ny delestazy, hoy izy. Manome toky ny minisitera fa hiezaka hanome fahafaham-po ny mpanjifa, ary hihena be ny delestazy, na tsy ho foana aza dia hihena, hoy ny fampanantenana. Any amin'ny faramparan'ny taona 2022 vao tsy hisy intsony ny fahatapahan-jiro raha ny fanazavana. Mahita fialana bala hatrany ity ny mpitondra amin’ny resaka delestazy, ary misy foana io mandavan-taona. Rehefa ririnina lazaina fa noho ny rivotra no mampikoronntana ny famatsiana, fahavaratra lazaina fa simban’ny rano ny milina, lohantaona lazaina fa tsy ampy ny tosiky ny rano,… Ao anatin’ny fanadinam-panjakana ny mpianatra no mandeha ny delestazy. Mirarakompana ny fampanantenana. Faran’ny taona indray no lazaina fa tsy tokony hisy intsony ny delestazy. Tsy vao izao no niresahana tahaka izany satria ny 18 febroary 2022 dia efa nilaza ny Minisitry ny Angovo Andry Ramaroson fa afaka iray volana tokony tsy hisy intsony ny delestazy. Vao mainka loza no niseho. Tsy aleo tsy mampanantena intsony fa mamaha olana aloha vao miteny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap