Ny tena mampanahy ny ankamaroan’ny isan-tokantrano indrindra fa ireo mampiasa fitaovana goavana mivelona amin’ny asa mila herinaratra toy ny vata fampangatsiaka…. dia ilay fiverenan’ny jiro tampoka iny izay ahiana tena hanimba zavatra. Amin’ny andavanandro aza hoy izy ireo efa tena tapitra simba sy may avokoa ny fitaovana mainka moa fa amin’ny fotoana hametrahana fitaovana goavambe ao Andekaleka tahaka izao ? Anisan’ny manahirana ny maro ihany koa ny tsy nanomezan’ny JIRAMA ny fe-potoana hahatapahan’ny jiro sy rano amin’ny toerana iray. Tokony ferana izany hoy ireo mpanao volo mba hahafahana mikatona mihitsy na miandriandry ihany mba tsy hamitahana ireo mpanjifa. Raha antenaina ho ora iray mantsy izany hoy izy ireo dia mety haharitra ora dimy fotoana tokony efa hahavitan-javatra any an-trano nefa hipetrapetrahana fotsiny. Raha tsy handray olona mihitsy indray hoy izy ireo sao dia ora iray ihany dia hiverina ny jiro….Tsy ho an’ireo mpanao volo ihany fa anisan’ny mitebiteby sy miasa saina amin’ity fahatapahan-jiro ity ihany koa ny mpanao gazety. Tsy maintsy amboarina mihitsy mantsy ny fandaharam-potoana hanenjehina ny fotoana tsy hahatapahan’ny jiro mba hamitana tanteraka ny asa raha mbola adin-tsaina hafa eny an-dalana ny fisian’ny fitohanana, ny raharaha miandry any an-tokantrano izay tsy maintsy hatao ao anaty haizina ihany koa….Farany izay tsy kely akory dia ny tsy fandriampahalemana izay tena mampikolay ny maro, indrindra raha vantany vao hariva ny andro.
Pati
Tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka I Moramanga Renivohitr’i Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy.
Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.
Andrasana indray moa ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa dia ankoatry ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra
Efa saika miomankomana amin’ny fankalazana ny fetin' ny mpifankatia indray ny rehetra amin’izao faramparan’ny volana Janoary izao.
Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.
Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”