airtel

Actualités

27-déc-2021

Actualités

Delestazy mety hitohy faran’ny taona Vokatry ny vidin-tsolika 300 miliara tsy voaloa?

Sample post image

Tsy nisy tsy nikolay tamin’ny fahatapatapahan-jiro ny mponin’Antananarivo tamin’iny faran’ny herinandro nankalazana ny fetin’ny Noely iny.

27-déc-2021

 Fankalazana ny fetin’ny noely tao anaty aisim-pito, tena tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona satria saika nahitana fahatapahana avokoa na andro na alina. Tena tao anatin’ny fety no niseho ny tsy fihetezana rehetra, ary betsaka no niteny ny tsy fiteny mihitsy. Tsy tena misy ny fanazavana ofisialy, fa metetika lazaina fa olana ara-teknika, tsy fahampian’ny rano. Matin’ny fanenjehana sy ny fanomezan6tsiny ny Jirama. Fa inona marina moa izany no anton’ity fahatapahana lava ity ? Nisy ny loharanom-baovao nilaza fa manana olana ara-bola goavam-be ny Jirama ka ahiana tsy hisy jiro ho an'Antananarivo sy ny “réseau interconnecté” ary ireo mampiasa “centrales thérmiques” amin’izao fetin'ny faran'ny taona izao. Tsy misy ny vola hividianana solika kanefa ny “pétroliers” tsy mety manome trosa intsony satria tsy mbola azo ny volany. Manodidina ny 300 miliara ary eo io, raha ny voalazan’io loharanom-baovao io. Efa noresahantsika teto ny ahiahy momba ny faharenesana olana teo amin’ny Fanjakana sy ny Green Yellow ka voalaza fa niteraka fahabangana 22MW. Andro vitsy taorian’io dia nilaza ny Tale Jeneralin’ny Jirama ny Jirama, fa misy fahabangana 21MW ny famatsiana, saingy olan’ny milina no noresahiny, ary nanaovana velirano fa tsy hisy intsony ny fahatapahana amin’ny atoandro satria hampiasaina ny toby mpamory herinaratra amin’ny herin’ny masoandro mamokatra herinaratra 21MW.
NY SOLIKA MANAHIRANA, NY RANO OLANA NOHO NY FAMOTEHANA NY TONTOLO
Ny 70% amin’ny famokarana eto rahateo mbola amin’ny alalan’ny milina mandeha solika, ary 30% no avy amin’ny rano, masoandro,… Milaza ho samy manana trosa mifampiditra ny Fanjakana sy ny mpamatsy solika, saingy mbola tsy voalamina izany matoa mety misy olana amin’ny famatsiana solika, hany ka ny vahoaka no mizaka ny vokany. Ny tosiky ny rano mampiodina ny “sites hydro-électriques” anefa etsy an-daniny midina hatrany sy zara raha misy mihitsy aza. Vokany, tsy ampy be dia be ny famokarana kanefa ny tinady miakatra be. Hany herin'ny Jirama manao, dia manao « opérations pluies provoquées » na fandatsahana orana, mba hampiakarana ny tosiky ny rano hampiodinana ny “centrales hydro-électriques”. 30 hatramin’ny 40 kg ny sira ampiasaina isaky ny manao, ary lafolafo ny hofan'ny fiaramanidina. Tsy dia nahavanona firy anefa ny teto Antananarivo, fa omaly vao somary nisy orana matevina. Vokatry ny « La Nina” any amin’ny Ranomasina Pasifika io tsy fahampian’orana io. Vokatry ny 2019-2020 ny tamin’ity 2020-2021 ity ary mbola ho mafy noho izao ny akony amin’ny 2021-2022. Zara raha nisy 60% ny « taux de précipitations nationals » na ny filatsahan’ny orana tamin’ny 2019-2020, hoy ny teknisianina. Anisan’ny manamafy izany ny famotehana ala. Misedra olana ara-drano daholo ny isam-paritra izao ary mbola ho mafy kokoa izany manomboka izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap