airtel

Actualités

28-nov-2022

Actualités

Delestazy tany amin’ny RN1 Varatra nilatsaka tao Anosizato no antony

Sample post image

Raha ny fanazavan’ny Jirama dia nilatsaham-baratra ny « transformateur » iray tao amin’ny toby sous-station

28-nov-2022

Anosizato ka izay no nitarika fahatapahan’ny herinaratra tany amin’ny tambazotra SWER dia Arivonimamo sy ny manodidina, amin’iny lalampirenena voalohany (RN1) iny sy ny axe Tana-SUD. Tsara ho fantatra fa ny fitsinjarana ny herinaratra amin’ny faritra manamorona ny RN1 miala eo Anosizato, Ampitatafika, Fenoarivo, Alakamisy, Imerintsiatosika, Arivonimamo, Miarinarivo, Analavory tonga hatrany Soavinandriana dia avy ao amin’ity sous-station Tanà-Sud ity avokoa no miainga. Raha ny fanazavana teknika avy amin’ny Jirama hatrany dia mizara roa ny tambazotra mivoaka avy eo amin’ny sous-station Anosizato ka ny voalohany dia ilay 35.000V izay triphasée, iny ilay fil telo tazana mandeha eny an-tsaha sy eny an-dàlana rehetra eny.Ny faharoa kosa ilay antsoina hoe SWER, izy io dia 35.000V ihany koa fa monophasée. Izany hoe fil tokana no mitatitra azy. Ka ny transformateur mitondra an’io fil tokana io no tra-pahavoazana. Efa am-perinasa hatrany moa ny teknisianin’ny JIrama ka omaly alahady dia efa nisy ireo faritra amin’ny RN1 efa niverina tamin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra tao aminy tahaka ny teny Ilailava Ankadivory be Ouest sy Soavina.Nisy ihany koa ny fifanatonan’ireo tompon’andraikitry ny Jirama tamin'ny mponina mbola iharan'ny fahatapahana herinaratra tao Antanetimboahangy sy tao Ampasamanatongotra omaly atoandro no nitondrana ny fanazavàna ny zava-misy. Nilamina ny fifampiresahana, hoy ny fampitam-baovao. Tombanana ho tafaverina ao anatin’ny herinandro ny tambazotra SWER, izay mamatsy ireo Fokontany ambanivohitra rehetra fa misy ihany manamorona ny RN1.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap