airtel

Actualités

08-sept-2022

Actualités

Depiote Brunelle Razafitsiandraofa “Manjakazaka sy mietraketraka ny olom-panjakana aty”

Sample post image

Tamin’ny fampahalalam-baovaon’ny fahitalavitra iray no nilazan’ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa izay efa any Ikongo,

08-sept-2022

fa mbola tafakatra 29 ireo maty vokatry ny tifitra nataon’ny zandary ny 29 aogositra 2022 teo, ary nilazany ihany koa fa tena manjakazaka ny olom-panjakana ka tsy atokisan’ny vahoaka. “Mikasika ireo naratra voan’ny bala naiditra hopitaly dia tafiakatra 29 ireo maty. Tsy vitan’izay, fa mbola nahitana fatin’olona miisa roa maty tamin’io andro io ihany koa tao anaty kirihitra omaly. Nisy ny voatifitra saingy mbola nahatondra tena nisitrika anaty kirihitra. Telo izay ny faty hita tamin’ny ala niala lavidavitra ny lakazerina ao Ikongo”, hoy izy. Efa maherin’ny 40 izany ny olona lavo raha atambatra amin’ireo matin’ny tsy fandriampahalemana, fotoana vitsy nialohan’ilay tifitra. Nahitsy ity depiote ity nilaza fa noho ilay fiarahamonina izay marefo dia tena manao izay danin’ny kibony, manjakazaka ny tompon’andraikitra ara-panjakana ny manam-pahefana. Tsy ny fitsarana ihany, fa izay manam-panafehana tena manjakazaka, mihetraketraka, manao kolikoly mihoampampana, manjaka ny toka-maso aty an-tanin’ny jamba”. Rahampitso zoma maraina izao no hanaovana fomba gasy antsoina hoe:: “fafirano” eo amin’ny toerana nisian’ny rà mandriaka. Miisa 77 kosa ireo gadra efa niverina an-tsitrapo, ary 108 mbola karohana, raha ny vaovao azo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap