Mitady vahaolana no anjarantsika ary izany no ilana ny seha-pikarohana toy ny anjerimanontolo na foibem-pikarohana ireny, hoy izy. Tokony hamafisina ireny hoe tsy tokony hiandry isika fa hiezaka hanao fikarohana. Manana ny FOFIFA isika, ohatra, eo amin’ny sehatry ny fambolena. Nahavita fikarohana be dia be io. Maninona ireny fikarohana nataon’ny Malagasy ireny no tsy nomena lanja? Manafatra masomboly avy any ivelany isika izao dia hoe vary safiotra na “riz hybride”. Ny FOFIFA nahavita namokatra masomboly tsara be mety mahatoraka an’io saingy tsy misy famatsiam-bola hamadihana azy hamidy eo amin’ny tsena. Tsy tokony vahaolana intsony ny fambolen-kazo fitsangatsanganana fa omeo velaran-tany ny kaominina tsirairay hoe ny kaominina misy anareo tokony hamboly hazo izao. Apetraka ny fepetra hoe raha tsy ahitana doro-tanety na ala ao aminareo dia mahavita mamboly izao ianareo. Ilay 25 tapitrisa ariary isaky ny kaominina iny, ohatra, mety azontsika asondrotra 40 tapitrisa ariary. Ilay 15 tapitrisa ariary ho an’izay mahavita ezaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Isany fanomezana fahefana eny ifotony izany sy famaliana soa azy izany. Mikasika ny fiakaran’ny vidim-piainana moa dia tsy misy mazia io. Ankoatran’ny vary sy legioma, raha ny fahafantarako azy, dia afarana avy any ivelany. Savony aza mbola betsaka ny antsika no afarana. Ny siramamy sy ronono mandry mamy koa. Ireny rehetra ireny rehefa midina ny sandam-bolanao dia miakatra koa ireny. Raha 4000 ariary ny Euro tamin’izany ka 4600 ariary ny Euro amin’izao dia lojika raha miakatra ny vidin’ilay entana vidiana Euro eto. Mila mijery isika, noho izany, hoe inona no azo vokarina ato anatiny dia mba miteraka harena ato anatiny? Ahoana ny hampihenana tsikelikely ilay fanafarana amin’ny alalan’ny famokarana anatiny? Maninona raha tsy atao tabliem-panjairana ozinina ny “Kit scolaire” fa ohatra hoe mpanjaitra Malagasy mahafeno fepetra no omena isa enjehana na “quota” dia efa fidiram-bola miditra any an-tokantranony izay, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
Tsy hita intsony izay marina sy diso mikasika ilay raharaha fahaverezan-tsolika 64 000 litatra teo anivon’ny Jirama. Andaniny,
Mandrava sy maka ny tanin’ny vahoaka madinika ao Nosy be Hell ville ny karana sy vahiny ary mpanam-bola,
Efa tany amin’ny 6 taona lasa no nametrahana io “coffre” io, tany amin’ny taona 2016 tany ho any no efa very ireo volamena 36,433 kg ary tsy fantatra mazava hoe:
Nahatrarana trafikana volamena indray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly 28 jona 2022 hariva. Teratany Sri lankais iray,