airtel

Actualités

15-juil-2022

Actualités

DG CNaPS Mamy Rakotondraibe Efa nalefa nitsoaka any ivelany ?

Sample post image

Nangingina tsy re intsony ny tohin’ny raharaha CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) izay naiditra am-ponja vonjimaika noho ny 16 martsa noho ny raharaham-pitantanana ahiana ho feno afera maloto.

15-juil-2022

Efa fotoana ela no naharenesana fa tsy eto an-tanindrazana intsony ny Tale Jeneraly Atoa Mamy Rakotondraibe ambony, ary toa manaporofo izany ny nilazan-dRtoa Fanirisoa Ernaivo fa “efa tafaporitsaka any ivelany ny niaraka amin’ny dosie mahasaringotra azy ny Tale Jeneralin’ny CNaPS…». Fampitsoahana tsara rindra nataona minisitra sy sekretera jeneralina minisitera, ary mpandraharaha goavana, raha ny voalazan’io polisianina mialokaloka ara-politika any Frantsa io, izay nanipika fa tsy any France no misy an’Atoa Mamy Rakotondraibe, saingy tsy nolazainy mazava. Nialoha izao, efa nisy ny famoaham-baovao nataona mpanao gazety iray tao amin’ny pejim-baovaony ny 13 mey 2022 teo, fa “… na teo aza ny fandavan'ny fitsarana momba ny ady amin'ny kolikoly ny fanomezana fahafahana vonjy maika LP (Liberté provisoire), dia ny minisitry ny fitsarana mihitsy no nanao sonia namoaka ity voapanga ity am-ponja, hanao asa aty ivelany na MOP (Main d'oeuvre pénale)”. Mbola tsy voatsara izany hoe tsy mbola voaheloka, fa tanana am-ponja noho ny antony ilana azy mahakasika ny raharaha iampangana azy ka tsy tokony hisitraka ny “Main d’œuvre Pénale”, raha ny lalàna no jerena. Ny fitsarana moa no tena afaka mamaly sy miresaka amin’ny antsipirihany momba ity toe-draharaha ity hoe : fanakorontanana saim-bahoaka sa tena marina ilay fampitsoahana ? Andrasana ny fanazavana ofisialy avy amin’ny Fitsarana momba mba ahafahantarana hoe: mbola eto marina ve ny Tale Jeneralin’ny CNaPS Atoa Mamy Rakotondraibe sa efa any ivelany tokoa? Tokony ho ao anatin’ny fotoana fohy izany, ary porofoina fa mbola eto raha toa ka tsy mitombina itony karazana famoaham-baovao itony satria zon’ny olom-pirenena ny mahalala ny tena marina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap