eo ao anatin’io sata mifehy ny asa na «code de travail» vaovao io, hoy ny Randrana sendikaly. Hiditra amin’ny rafitra fanaovana izany amin’izay izany izao ny CNT na filankevim-pirenena momba ny asa izay mbola na ny resaka fisoloan-tena ny mpiasa tamin’ny 2018 sy 2019 aza, izay efa hoe tsy manaraka ny toetr’andro, ve no mbola isahana an’izany indray, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga? Hisy, noho izany, ny hetsika ho ataon’ny Randrana sendikaly amin’ity herinandro ity hanaterana fitakiana eo anivon’ny minisiteran’ny asa hoe makà «dérogation spécial» na alalana manokana indray ohatran’ny natao tamin’ny 2022 mikasika ny fitantanana ny filankevitry ny CNaPs, ny IFNP, ny INTRA. Inona marina no tena paikadin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao? Misy lamina maromaro tokony jerena aty amin’ny didy fampiharana anatin’io sata mifehy ny asa io. Raha ny olona handrafitra ny didy fampiharana aza mbola olona efa lany andro tamin’ny 2016-2017 na 2018 dia ahoana moa no hilazana hoe hanaraka ny toetr’andro ny didy fampiharana hivoaka eo? Izay no mahatonga anay miteny foana amin’ny minisiteran’ny asa hoe ianareo no atao hoe fanjakana raha vao asa no resaka. Ataovy mazava ny paikady fa tsy hita izany raha fivoriana etsy sy fivoriana eroa no handaniana andro! Mivoy foana ny atao hoe dinika sosialy izahay. Izahay mampiasa ilay hoe «Serasera tsara paika, mpiara-miombon’antoka mifampihaino, orinasa mandroso, tombontsoan’ny mpiasa voarindra, firenena mivoatra.». Raha te hampandroso toekarena ianao nefa tsy voakarakara ny mpiasa sy ny tontolon’ny asa dia aza manantena! Miha betsaka izao mpiasa miasa tena ary mikaika hoe ahoana io lalana io? Ahoana io jiro io? Ahoana io rano io? Mila paikady mazava sy fahasahiana izany. Ny tale jeneralin’ny JIRAMA karamaina be nefa tsy hita ihany ny vahaolana. Tsy hoe akory ny hitana angady handavaka ery no niantsoana azy. Tsy asany izany. Aza manao bingo manao matso! Samy manana ny andraikiny io. Matoa ianao karamaina be dia tokony hanana paikady mazava. Mahagaga ihany hoe tale jeneraly karamaina an-tampitrisa maro nefa amam-bolana vao maharafitra paikady fanatsarana. Mitovy amin’ny malagasy ihany izany. Aleo jerena ny paikady mazava dia malagasy ihany no manao azy, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Ny valan-javaboarin’i Tsimbazaza dia tsy toeram-pialan-tsasatra tsotra,
Toe-javatra mety mitranga ny tsy fitovian- kevitra eo amin’ny ray sy ny reny momba ny fitaizana ny zaza,
800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena
800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena
Nifarana ny kilalao tamina fahitalavitra tsy miankina iray, izay ana loholona iray eto Madagasikara
Ny 47%-n’ireo ankizy latsaky ny 18 taona eto amintsika no efa miditra eo amin’ny sehatry ny asa.