airtel

Actualités

20-août-2021

Actualités

Disadisa takariva teny Ambohijatovo Saika nifamono ny polisy sy ny miaramila

Sample post image

Nisehoana sahotaka omaly 19 aogositra hariva teny Ambohijatovo, raha ny vaovao azo sy niparitaka nanamafy azy. Raikitra ny gidragidra teo amin’ny miaramila sy ny polisy. Raha ny ambangovangom-baovao azo

20-août-2021

, nisy miaramila tsy manao fanamiana ary voalaza fa mamo ka nanadala olona teo amin’ny toeram-piandrasana taksibe. Nisy tamin’ireo nanatri-maso no nilaza fa notsapatsapainy ny fitombenan’ilay tovovavy, araka ny tati-baovao niparitaka. Sosotra ireo olona ka niantso polisy. Tetsy andaniny, tsy nahafantatra izay maha miaramila azy ny polisy tonga hisambotra. Nanohitra sy nananga-tsandry kosa ilay miaramila. Tampoka teo, nomeny ny daka ilay “agent”, norohitiny ihany koa ny “gilet”-ny, hoy ny fanazavana. Tezitra ireo polisy ary efa saika raikitra ny rombo, kanjo tonga ihany koa ireo miaramila maro manao fanamiana naman’ilay nigafy. Narovan’izy ireo ny namany. Efa samy namokona totohondry ny andaniny sy ny ankilany. Ny olona amin’io nitangorona efa niandry izay mety hipoaka. Maro ireo nanakora. Farany, nisintaka ireo miaramila. Avy eo, tonga ny lehiben’ireo polisy sy ny FIP. Andrasana izay mety ho tohiny sy ny fanazavana ofisialy eo anatrehan’ny zava-nisy satria manaratsy endrika ny mpitandro ny filaminana izay tokony ho fitaratra eny anivon’ny fiaraha-monina. Tsy isika indray no handeha hanome lesona, fa na am-perin’asa na tsia, dia tokony hahafehy tena foana ny mpitandro ny filaminana. Lasa manome ohatra ratsy ho an’ny vahoaka, dia lasa samy manao be sandry, lasa tsy mahatoky mpitandro ny filaminana ny vahoaka, tezitra anefa izy ireny rehefa kianina.

Ny takarivan’ny 10 novambra 2016 fony Rtoa Lalao Ravalomanana mbola ben’ny tanànan’Antananarivo, dia nisy ny tranga hafahafa niseho mitovitovy amin’izao. Nafana ny fanesorana mpivarotra amoron-dàlana tamin’izany. Nisy vehivavy mpivarotra amoron-dàlana voalaza fa vadina miaramila tamin’izany, ary nilaza fa niharan’ny herisetran’ireo polisy sy mpiasan’ny fivondronana nandrava tsena. Nidinan’ny miaramila maro milanja basy sy nodidinin’izy ireo ny Lapan’ny tanàna tamin’izany. Tranga hafahafa fanindroany izany ity omaly ity. Tsy natao hankahalana mpitandro filaminana sanatria, fa mila jerena akaiky ny toe-javatra tahaka izao.

Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap