airtel

Actualités

07-juin-2022

Actualités

Distrikan’ny Vohemar Ho tsaraina anio ilay raharaha fanapahan-doha zazavavy

Sample post image

Tsy mandry fahalemana ny any amin’ny distrikan’i Vohemar. Zazavavy kely vao 8 taona monja no hita faty tao anaty kirihitr’ala ny Sabotsy lasa teo, 05 km atsinanan’ny tananan’ Ambalahasy, fokontany Ampizahamatana.

07-juin-2022

Efa niala tamin’ny vatany ny lohan’ity zazavavy kely ity raha araka ny fantatra ary niboridana tsy nisy fitafiana intsony ihany koa ny vatany. Ny sefom-pokontany tao an-toerana sendra nandalo raha araka ny fantatra no nahita azy io ka nampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana. Avy hatrany dia niroso tamin’ny fanadihadiana ireto farany ka tovolahy kely iray vao 13 taona no voarohirohy tamin’izany. Somary manontany tena daholo ihany anefa ny rehetra ny amin’ny fomba nahavitan’ity zazalahy kely iray ity vono olona feno herisetra sy habibiana ity. Mety ho nisy namany izy hoy ny sasany…. Hiakatra fitsarana anio alatsinainy ny raharaha hoy hatrany ny loharanom-baovao voaray.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy mandry fahalemana ny eto Vohemar
(Tahirin-tsary)
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap