airtel

Actualités

20-oct-2022

Actualités

Doro ala sy tanety 1700 isan’andro ny tebok’afo

Sample post image

Ao anatin’ny iray andro misy tebok’afo hatrany amin’ny 1700. Manodidina ny 500 mahery amin’izany ao anatin’ny faritr’ala avokoa, raha ny tatitra nataon’ny Centre de Commandement hiatrehana ny ady amin’ny fahamaizan’ny

20-oct-2022

 tanety sy ny ala na CCO Feu omaly. Ho an’ny valanjavaboahary 112 eto Madagasikara, dia efa nandalovan’ny afo avokoa ny 54. Tandindondonin-doza avokoa ny faritra arovana, any andrefana tahaka ny tany Soalala, ny afovoan-tany,… eny ny faritra rehetra. Nilaza ny Tale Jeneralin’ny Madagascar National Parks fa eo ny asan-dahalo izay mety mandrehitra tanety, eo ny tsy fandriampahalemana, fa sao ihany koa noho ny vanim-potoana manakaiky fifidianana. Azo atao ny mieritreritra fa misy ny hetraketraka, hoy ny fanamarihana. Fifandrifian-javatra ve ny hoe: miara-mirehitra Ankarafantsika sy ny faritra rehetra manerana ny Nosy? Mahalasa saina, hoy ny Filohan’ny CCO Feu izay sady Talen’ny BNGRC na Birao misahana ny loza sy ny tandindon-doza Jeneraly Elack Olivier Andriankaja. Notsipihiny fa tsy ampy ny fitaovana hoenti-mamono ny afo satria fitaovana tsotra sy madinika no ampiasaina fa tsy manana an’ireny lehibe toy ny “engins” samihafa ireny isika. Isan’ny nanao antso moa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fanokafana ny fivorian’io andrim-panjakana io, fa tokony hampitomboana ny tetibola hoenti-miatrika ny doro ala misesy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap