airtel

Actualités

02-févr-2021

Actualités

Dr Hanitra Ratsimba “Betsaka no mbola tsy fantatr’ireo vao afaka bakalorea”

Sample post image

Betsaka ny ankizy liana hanohy fianarana eny amin’ny anjerimanontolo saingy

02-févr-2021

 

 

tsikaritra kosa anefa fa betsaka koa ny zavatra mbola tsy fantatr’ireo ankizy afaka bakalorea farany teo, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fampianarana ambony eo anivon’ny sampam-pianarana politeknika, ny Dr Hanitra Ratsimba, nandritry ny hetsika fampahafantarana izany teny amin’ny Plaza Ampefiloha omaly. Manodidina ny 350 isa isan-taona eo no mpianatra vaovao raisin’ny ESPA, hoy izy. Betsaka ny sampam-pianarana na “filière” vaovao tato ho ato. Betsaka ihany koa ny orinasa vaovao nisokatra. Efa mahita asa mifandraika amin’ny fianarana vitany ireo ankizy mivoaka. Roa taona teo koa izay dia tsikaritra ho efa manana ny finiavana hanangana orinasa ireo mpianatra mivoaka eo anivon’ny politeky dia mamorona asa ho azy. Azo lazaina hoe mahavita fianarana vao mijanona ny 80%n’ny mpianatra miditra ato satria ilay mpianatra tafiditra anaty 20% koa matetika mahita fizarana asa dia tamana any dia tsy taitra amin’izay hamita ny fanohanana ny voka-pikarohany. Tafajanona any ireny dia miasa any fa aty aoriana be rehefa mitaky diplaoma vao hoe hanao “soutenance”. Efa miha vitsy ny voaroaka sy miala an-daharana, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap