airtel

Actualités

05-déc-2022

Actualités

Durlin Retogniane “Mahatonga trafika be dia be io olan’ny angovo io”

Sample post image

Teboka miisa 3 no mariky ny fandrosoan’ny firenena iray, hoy ny mpanao politika, Durlin Retogniane. Misy ilay antsoina hoe “consommation en béton”

05-déc-2022

na fahafaha-manjifa filana andavan’andro tsy mihafihafy, ny “consommation en énergie”, tsy fametrahana Cobra eran’ny tanana izany fa ilay angovo afaka mitondra ny toekarena mandeha lavidavitra kokoa, hoy izy. Ny fahatelo dia ny “consommation en eau” na famatsian-drano satria olana goavana izao io any atsimo io. Tsy afaka namaha ny olan’ny rano any ny fitondrana nifandimby. Tsy mbola resaka rano fisotro madio akory no resaka eto nefa ny tarehimarika koa dia milaza izao fa ambany be ny tahan’ny olona misitraka izany rano fisotro madio izany eto Madagasikara. Ny rano resahantsika eto dia rano ahafahana mampiodina ny toekaren’ny faritra atsimo amin’ny alalan’ny fitarihan-drano na “irrigation” hanondrahana fambolena. Tany tokony hamokatra sy midadasika be ny any. Ilay rano no tsy hahafaha-mamokatra any. Ilay angovo mitarika ny toekarena izany izao no tena olana eto amin’ny firenena satria ambany be ny fisitrahan’ny malagasy izany. Teny Ampefiloha sy Itaosy izao nidina an-dalambe nandoro kodiarana ny olona. Mbola tsy misy ny politika mazava hapetraky ny fanjakana hifehezana ny angovo. Ny angovo nefa no maotera mampiodina ny toekarena eto Madagasikara. Raha vao ambany be na kely ny angovo ampiasain’ireo mpandraharaha na mpamatsy sy mpampiasa vola no hampidanganina be koa ireo faktiora dia mampihemotra azy ireo daholo izany. Ireo anefa isan’ny mamorona asa eto. Ny tsy fisiana asa eto efa mampikaikaika. Mahatonga ny olona lasa manao ny tsy fanao izany ary mifandraika amin’ny olan’ny tsy fandriampahalemana koa izay tonga amin’ireny hoe fangalarana maso, taolam-paty, trafika be dia be satria ambany be izay fisitrahana angovo izay hahafahana mampiodina ny toekaren’ny tsirairay. Tsy ny olona mitantana ny JIRAMA no olana fa ny rafitra hitantanana azy. Efa be izay olona nosolosoloina tao izay. Esory indray ny minisitra rahampitso dia ho hitantsika eo raha voavaha ny olana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap