airtel

Actualités

08-juin-2022

Actualités

Durlin Retogniane “Natao inona ireo sarin’ady tetsy sy teroa ireo ?”

Sample post image

Manoloana ny firongatry ny fakana zazavavy tanora nisesisesy tato anatin'ny herinandro vitsivitsy dia mampametra-panontaniana hoe natao inona foana ireny sarin’ady na "simulation"

08-juin-2022

betsaka mikasika ny fandravana olona mpanao takalon'aina tetsy sy teroa ireny, hoy ny mpanao politika, Durlin Retogniane? Ho avy ity ny fankalazana ny fetim-pirenena amin'ny 26 jona dia hanao "simulation" sy fampisehoan-kery na "démonstration" indray ireo mpitandro ny filaminana etsy amin'ny kianjaben'i Mahamasina, hoy izy. Menatra aho ry fireneko.Tsy tokony fotoana ve izao hampiharana ireny "simulation" ireny fa mila hetsika na "action" ny vahoaka? Tsy fotoana ve izao hanaovana "action" amin'ny resaka fakana olona ity amin'izay mba "simulation" fotsiny no atao rehefa tonga ny fankalazana ny 26 jona? Mitaintaina loatra ny vahoaka. Tsy andro, tsy alina. Hatao ahoana ny ho fankalazana izany fetin'ny 26 jona izany raha mbola manjaka ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy? Miangavy ireo mpitandro ny filaminana mba hampiasa ny fahaizan'izy ireo fa fotoana izao tena ilana anareo fa tsy handrava fihetsiketsehana eny Analakely fotsiny no itadiavana anareo tompoko, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap