airtel

Actualités

12-avril-2021

Actualités

Ed 1 hitsaboana Covid 19 Ifandrombahana ny Dr Edmond

Sample post image

Nalaza tao anatin’ny fotoana fohy ny Dr Edmond Rakotomalala, izay efa miely manerana an’i Madagasikara

12-avril-2021

 

 

 

 eny mety hatrany ampitan-dranomasina ny lazany noho ilay fanefitra nentim-paharazana nohatsaraina na “remède traditionnel amélioré”, voalaza fa mahasoroka sy mahasitrana coronavirus. Ilaharana sy ifampitadiavana ny fanafody “Ed1” . Tsy ny marary sy mila fitsaboana ihany no misy azy, fa maro ihany koa ny karazan’olona manantona mandranto finamanana aminy. Isan’izany Atoa Ny Rado Rafalimanana izay nihazo an’Imerinavaratra nihaona manokana tamin’I Dr Edmond ny herinandro teo. Nisy vaovao sokajiana lehibe voaray omaly avy any Fandriana, fa nalaina tamina angidim-by vao maraina niala avy any an-toerana ity mpitsabo ity. Tsy fantatra mazava hoe ho aiza na hihaona amin’iza, fa ny azo antoka dia tsy hoe handeha hitsangatsangana kosa aloha na hoe hijerijery ny zavaboahary. Raha ilay hoe nantsoina hiresaka amin’ny ministeran’ny fahasalamana mba hikarakara ny dingana araa-panjakana hampanarahan-dalàna ny fanapariahana sy fivarotana ny Ed1 dia re tamina loharanom-baovao iray fa efa tonga nihaona tamin’ny tompon’andaikitra tokoa i Edmond Rakotomalala, saingy tsy nisy tohiny intsony hatreto aloha.Etsy ankilan’izay efa mandeha ny resaka fa hoe antsoin’ny Fanjakana hiara-hiasa aminy toy ny IMRA tamin’ny CVO ny Dr Edmond, ka izay ho tohiny.

 MIKASA HIVAROTRA ANY IVELANY…

Raha hiverenana kely ny fihaonana teo amin’i Dr Edmonnd sy Atoa Ny Rado Rafalimanana dia nisy tokoa ny  resaka momba ny Ed1 natao . « Maro ireo resakay mianaka natao indrindra ny momba ny hamonjena ny Malagasy noho ny raokandro ataony. Ary rehefa voatsabo ny Malagasy dia hovonjena koa izao tontolo izao satria izay no Ny Fanahy maha Olona... Izy tenany moa mbola hamafisina eto fa tsy manao Facebook fa mpisandoka daholo ny mampiasa ny anarany ka mila mitandrina”, hoy I Ny Rado Rafalimanana. Ary ny sarany, hoy izy, dia tsy tokony hihoatra ny 20 000Ar satria Vonjy aina ny fitsaboana fa tsy natao hanararaotana... Ny manahiran-tsaina azy dia mahita ny Malagasy mitady hevitra ny hividianana fanafody Ed1 amin’izao fotoana izao kanefa dia maro ireo mpanararaotra sy mpisandoka”, araka ny fitantaran’I Ny Rado Rafalimanana.

 Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap