airtel

Actualités

08-avril-2021

Actualités

Edmond Rakotomalala “Mamotika tanteraka karazana valanaretina maro ny Ed1”

Sample post image

Nalaza tato anatin’ny fotoana fohy ny fanefitra voajanahary nohatsaraina na ny “Remède traditionnel Amelioré” antsoina hoe:

08-avril-2021

 

 

 “ED1” tonga hatramin’ny ED7, novokarin’i Rakomalala Edmond. Isan’ireo fanefitra nentim-paharazana vita amin’ny zava-maniry be mpampiasa, raha ny hita amin’ny fanehoan-kevitra maro.

“Rehefa tena notsaraina tao amina laboratoara ny ravina hita, dia misy « phase » fito, ka nomena ny anarana ED1, niainga avy amin’ny anarana hoe: “Edmond”. Io “ED1” io dia mamono sy manapotika tanteraka ny karazana “virus”maro, ny karazana aretina mifindra maro, tahaka ny misy ankehitriny, ny “asthme”, manatsara ny fikorianan’ny ra, ary mitazona ny tahan’ny diabeta tsy hiakatra, mitazona ny tosi-dra ho amin’ny atoniny, miaro ny sela mena, manampy ny “oxygène” amin’ny rà,... Izay no asan’ny ED1, ED2, ED3”, hoy io Mpitsabo nentim-paharazana io ny faran’ny volana martsa teo. Ho an’ny ED4 kosa dia manafaka ny “bacteries” na mikraoba, bilarziozy, hepatite B,… Ny ED5 kosa dia manampy sy miaro ny taovam-pisefoana avy notrobatrobaran’ny aretina, mandevona ny vato amin’ny voa, mitazona ny diabeta,… hoy ny ampaham-panazavany, izay naneho fa tsy manao dokam-barotra fa kosa ny misy ny liana sy te hahafantatra.

Atoa Rakomalala Edmond, nahita ny fanafody nentim-paharazana  Ed 1

“TSY MIFANDAKA AMIN’NY FANAFODIN’NY HOPITALY”

Nilaza moa izy, fa tsy mifanipaka na mifamono na mifandaka amin’ny fanafody avy any amin’ny hopitaly. Vao mainka manafaingana ny fiasan’ny fanafody Mifanampy, ary afaka. Teo no nanaovana fifanarahana lasitra tamin’ny fitondram-panjakana sy ny fitsaboana nentim-paharazana, fa hiara hiasa amin’ny fahasalamana eto amin’ny firenena sy iraisam-pirenena. Tsy azo ampitoviana ny fitsaboana nenti-paharazana sy ny maoderina, fa ampifamenoina, hoy izy.

FILAHARAM-BE TENY MAHAZOARIVO  OMALY

Vao mainka nampitombo ny lazan’ity Ed1 ity ny fisiana filazana nataon’ny manam-pahefana ara-pahasalamana tao anatin’ny tambajotra Facebook ny 31 martsa, fa tsy nahazo alalana hamidy eny amin’ny tsena izy io. Maro ny fijoroana vavolombelona tato aoriana fa voan’ny coronavirus ary sitran’io, ary tsy vitsy ny mampiseho fa mampiasa ity Ed1 ity ankehitriny. Hatramina manam-pahefana ambony, dia voalaza fa efa sitrany. Omaly, filaharam-be teny Mahazoarivo, toerana isan’ny hivarotana ny ED1. Mipetraka hatramin’ny lamina, fa ho an’ireo manana marary “forme grave”, dia tsy milahatra. Tsy manao dokam-barotra, fa matoa hifandrotehana, dia maro no resy lahatra. 20 000Ar eo ny vidin’ny iray, raha ny angom-baovao.

Nifanotofan’ny olona ny fividianana ity fanafody ED1 ity omaly

MILA MAILO FOANA

Ny filaharam-be tahaka izao, ny fitototoana mitady fanafody etsy sy eroa dia midika sy maneho, fa maro ny olona marary, tsy vitsy ny mitady fiarovana, na tsy tambo isaina ihany koa aza ireo mbola tsy tonga saina sy tsy mivaky loha. Mila mitandrina ihany anefa satria tsy kely làlana ny ratsy. Ho an’ity ED1 ity, ohatra, dia efa misy ny manao hosoka. Any amin’ny toerana azo antoka fa misy ilay tena izy, araka ny toromariky ny mpamokatra no mila mandeha. Samy manana ny toe-batany ihany koa ny olona tsirairay. Misy ny mety handairany, ao ny mety hahatsapa tsy mahita vokatra. Mety mikaonty ihany koa ny finoana ananan’ny tsirairay amin’ny handairan’ny fanafody. Mila tantsoroka amin’ny Fanjakana ny voka-pikarohana tahaka itony amin’ny fiarovana sy ny fampanarahan-dalàna azy. Azo hitarina sy hatsaraina hatrany ihany koa eo anatrehan’ny mety ho lesoka.

Toky R sy J.Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap