airtel

Actualités

06-déc-2022

Actualités

Efa tena latsaka anaty lavaka ny Jirama Sarotra vahana ny olana na hogadraina daholo aza..

Sample post image

Vokatry ny fanaovana tombana ireo mpitantana ao amin’ny orinasa JIRAMA dia nisy ireo tale miisa 3 nadoboka am-ponja, hoy ny antoko politika Otrikafo, tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Andravoahangy omaly.

06-déc-2022

Eo koa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny, ny fanenjehana ireo tale jeneraly miisa 2 teo aloha sy lefitra ankehitriny. Raha jerena maimaika izay dia ohatran’ny hoe tena manao ny asany tokoa ny tomponandraikitra amin’io JIRAMA io. Hoy izahay hoe sao varimbariana isika ka hihevitra fa tena misy fanapahan-kevitra hentitra tokoa raisin’ny tomponandraikitra hamahana io olan’ny JIRAMA io? Iarahantsika rehetra mahalala fa tsy fahampian-tsolika no olan’ny JIRAMA. Manana vahaolana efa narosony nefa ny Otrikafo hoe inona no misakana ny fitondram-panjakana tsy hampiasa io vokatra menaka mavesatra an’ny Madagascar Oil io? Vahaolana maika io. Manana anjara 20% ao isika. Maninona no tsy ampiasaina? Fantantsika fa misy famatsiana na “subvention” amina miliara Ariary atao amin’io JIRAMA io isan-taona fa tsy mahavaha ilay olana ihany. Tsy miaro an’iza na iza izahay fa na higadra daholo aza ny tale rehetra miisa 30 mahery eo anivon’ny JIRAMA hatramin’ny minisitry ny angovo, raha tsy io vahaolana amin’ny resaka solika io no tena raisin’ny fitondram-panjakana dia tsy hivaha ny olana, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap