airtel

Actualités

21-juin-2022

Actualités

Elakelan-tranon’Ampandrana Tratra ilay rangahy mpivarotra rongony rôrô

Sample post image

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP3 Antaninandro ny omaly alatsinainy 20 jiona 2022 rehefa nahatrarana rongony maherivaika héroine.

21-juin-2022

Tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro raha tsiahivina no nahazo vaovao ny Polisy mahakasika ny fisiana mpivarotra héroine, fantara amin’ny solon’anarana Roro. Tao an’elakelan-tranon’Ampandrana io lehilahy io no tratra . Manoloana izany dia tonga nanao fisafoana teny an-toerana ny Polisy nanao fanamiana sivily. 43 taona moa ity lehilahy ity izay mbola teo am-pivarotana heroine mihitsy. Tamin’ny fisavana azy dia mbola nahitana kokoty miisa 06 tany aminy. Tamin’ny fisavàna ny tranony ihany koa dia mbola nahitana kokoty miisa 02 tao aminy. Raha hatontaly izany dia kokoty miisa 08 no tratra.. Nentina namonjy ny CSP3 izy hanaovana fanadihadiana mialohan’ny hiakarany eo anivon’ny fampanoavana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap